• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 9 hatramin'ny 15 oktobra

16/10/2023 12:24 © Moov.Mg

Ireo vaovao politika no tena nitana ny sain'ny maro tamin'iny herinandro lasa iny. Tsy mety milamina ny firenena noho ireo fitakiana mikasika ny fifidianana. Maro ihany koa nefa ireo tranga sosialy sy ekonomika nanamarika ny mpanara-baovao.

Fifidianana # Mihemotra ny 16 novambra

Raha ny 9 novambra no nokasaina ho tanterahina ny fihodinana voalohany, ny 16 novambra indray no daty vaovao, izany hoe misy elanelana herinandro. Fandinihana ny taratasy napetraky ny kandidà iray, Andry Tsiverizo Raobelina, izay tsy salama no nahatonga ny fanapahan-kevitry ny HCC. Ny fihodinana voalohany ihany nefa no voakasika. Tazomina ny datin'ny 20 desambra ho an'ny fihodinana faharoa.

Fampielezan-kevitra # Kandida roa no manatanteraka izany

Ny kandida Andry Rajoelina sy Daniela Raderanirina no niroso tamin'ny fampielezan-kevitra tamin'iny herinandro iny. Nametraka "affiches" izy ireo sady efa nanatanteraka fitetezam-paritra. Ny kandida Andry Rajoelina dia efa nitsidika ny faritra avaratry ny nosy sady efa namaky lay teto an-drenivohitra. Ny kandida Daniela Raderanirina kosa dia nihazo an'Ambositra ny faran'ny herinandro teo. Koa satria mihemotra ny datim-pifidianana, manana herinandro fanampiny ny kandida tsirairay amin'ny fampielezan-kevitra.

Collectif des candidats # Manohy ny hetsika an-dalambe

Tsy nisy nanatanteraka fampielezan-kevitra manokana ireo kandida 11 mivondrona. Niara-dalana hatrany izy ireo ka nanohy ny diabe manerana an'Antananarivo. Ny sabotsy lasa teo dia maromaro ny toerana niaingana ka nihoana teo Ankorondrano. Tanjon'izy ireo moa, araka ny fanambaran'ireo mpitarika, ny hanatanterahana fifidianana madio. Amin'ity herinandro ity, mbola mitohy hatrany ny hetsika. Mbola tsy misy maika amin'ny fampielezan-kevitra ireo kandida. Marihana kosa nefa fa misy ireo efa manana hira faneva.

Antenimierandoholona # Lasa filoha ny jeneraly Ravalomanana

Nafana ny toe-draharaha teo anivon'ny Antenimierandoholona. Nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana no nadanian'ireo loholona ny fanesorana ny filohan'izy ireo, Herimanana Razafimahefa. Izany moa dia noho ny fiovan-kevitr'ity farany mikasika ny fitantanana vonjimaika ny firenena. Ny fifidianana faharoa, teo anivon'izany Antenimiera izany, no nandanian'ireo loholona ny mpikambana vaovao, ny jeneraly Richard Ravalomanana, ho filoha vaovao.

Banky iraisam-pirenena # Mamporisika ny hisian'ny fifanarahana

Nihaona tamin'ny Filoha Lefitry ny Banky Iraisam-pirenena ho an'ny Faritra Atsinanana sy Atsimon'i Afrika ny delegasiona Malagasy nandritra ny Fihaonam-ben'ny Vondron'ny Banky Iraisam-pirenena any Marrakech. Nampirisika ny hisian'ny fifanarahana eo amin'ireo mpifanandrina ara-politika mba hirosoana amin'ny fifidianana milamina ny Banky Iraisam-pirenena. Ankoatra izay dia niresaka ny ezaka vita teo amin'ny lafin'ny ny toekarena ny roa tonta, toy ny fiakaran'ny tahatombon'ny harinkarena, indrindra nohon'ny fizahan-tany sy ny trosa izay mbola azo iainana tsara (38,3%).

October Rose # Volana natokana ho an'ny vehivavy

Efa taona maro no nanokanana ny volana oktobra ho an'ny fahasalaman'ny vehivavy. Maro ireo hetsika mifandraika amin'izany, na avy amin'ny fanjakana, na ireo orinasa tsy miankina, na ireo fikambanana isan-karazany. Singanina manokana ny fitiliana ny homamiadan'ny nono sy ny tranon-jaza, isorohana ny olana ara-pahasalamana goavana mety handany fananana sy hamoizana aina.
Ny fikambanan’ny mpanao gazety vehivavy eto Madagasikara (FJM) izao ohatra dia efa nisitraka fitiliana maimaim-poana ny homamiadan’ny vozon-tranon-jaza, teny amin’ny Centre Médical Kintana Ambatomena, ny 3 oktobra lasa teo.

11 oktobra # Andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy vavy

Nahatsiaro ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy vavy ny teto Madagasikara ny alarobia 11 oktobra lasa teo, na dia tsy nisy aza ny fankalazana ofisialy. Manamafy ny UNICEF fa mahomby ny fandaharanasa "Let Us Learn", izay hiadiana amin’ny fialana an-dakilasin’ireo ankizy vavy aloha loatra. Anisan’ny tanjona napetraka amin’izany fandaharanasa izany ihany koa ny hanatsarana ny fahaizan’ireo ankizy mpianatra.

Rivotra # Maloto ny eto Antananarivo

Nigaingaina ny hafanana tamin'ny herinandro lasa iny. Naloto dia naloto ihany koa ny rivotra, indrindra tamin'ny faritra naha-betsaka ny mpivezivezy eto an-drenivohitra. Tsy vitsy ireo olona marefo sy zaza no tratran'ny aretin-tratra sy ny aretina isan-karazany. Efa nilatsaka kosa nefa ny orana ny zoma teo ka nilatsaka ny hafanana, sady nahitana fahatsarany kely ny kalitaon'ny rivotra. Nihato ny orana ny faran'ny herinandro, saingy andrasana hilatsaka indray amin'izao fiandohan'ny herinandro izao.

Jono # Mikatona ho an'ny faritra Atsimo Atsinanana

Ny 15 oktobra teo no nikatona ny fanjonoana an-drano mamy sy an-drano matsaboka ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Haharitra hatramin’ny 15 novambra izany fikatonana izany, araka ny didim-pitondrana laharana faha 16/2021/REG/SE/CR/GOUV/DAGR/AR/Pêche tamin’ny 04 oktobra 2021. Voarara ny fanjonoana mandritra io fe-potoana io, araka izany, koa tsy maintsy ny tahiry eo ampelatanana no ampiasaina.

RNT14 # Hamboarina ireo teboka mainty

Hanomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana ny làlam-pirenena RNT14 izay mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo. Vinavinaina haharitra 8 volana ny asa araka izany. Ratsy dia ratsy tokoa ny làlana, ary fiara tsy mataho-dàlana sy fiara vaventy ihany no afaka mifamezivezy any an-toerana. Adin’ny valo mahery anefa no hanaovan’ireto farany ny làlana mirefy 92 km ankehitriny ary mety haharitra andro maromaro izany rehefa fotoanan’ny orana.

Fikorontanan-tsaina # 47% no voakasika eto Antananarivo

Manodidina ny 47%-n’ny olona no tratran’ny fikorontanan-tsaina eto Antananarivo. Ho tratran’ny olana ara-tsaina avokoa ny 60%-n’ny olombelona eto ambonin’ny tany amin’ny taona 2030, raha ny vinavinan’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny fahasalamana (OMS).

Fort Dauphin # Hahazo ivon-toeram-piofanana

Hisokatra amin'ny taona 2024 ny ivon-toeram-piofanana izay natsangana ao Manantantely ao Fort Dauphin. Tanjona ny hampitombo isa ireo teknisiana eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Hanampy ireo tantsaha eny ifotony amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa ny ministera mpiahy mba hahafahana mampitombo ny vokatra.

Angovo # Power Africa

Tafiditra ao Tsarazaza ny herinaratra vokatry ny programa Famatsiam-bola ho Fampiroboroboana ny Tambajotran’Herinatra Madinika an'ny Power Africa, karakarain'ny ambasadin'i Etazonia eto Madagasikara. Tamin'ny taona 2020 ny Power Africa no nanangana io programa Famatsiam-bola ho Fampiroboroboana ny Tambajotran’Herinatratra Madinika io izay miompana amin'ny famatsiana herinaratra any amin'ny faritra ambanivohitr'i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires