• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tt
Image
Vaovao

Hetsika politika : Mihena ny fifamezivezena eto an-drenivohitra

14/10/2023 19:42 © Moov.Mg

Vao tamin'ny 9 ora maraina dia tsy azo nidiran'ny fiara intsony ny faritra Analakely, Behoririka, Petite Vitesse sy Soarano. Nihitatra hatreny Antanimena ny "barrage" nataon'ireo mpitandro ny filaminana. Tena vitsy ny olona nifamezivezy satria nihidy avokoa ireo toeram-pivarotana tamin'ireo toerana ireo.

Misoroka korontana

Tsy vitsy ireo mpandeha an-tongotra, mpandeha fiara fitateram-bahoaka na mpitondra fiara manokana no efa niomana ny tsy hiditra ny "centre-ville" androany sabotsy 14 oktobra. Maro tokoa ireo tsy sahy niditra ireo toerana nokasain'ireo mpanao diabe hiaingana sy holalovana, araka ny fanentanana izay nandeha tamin'ny tambazotran-tserasera. Samy matahotra ny ainy sy ny fananany ny tsirairay. Feno mpitandro ny filaminana rahateo ny fidirana an'Analakely rehetra. Na ireo mpanambady nisoratra teny amin'ny biraon'ny boriborintany voalohany aza dia voatery nandeha an-tongotra.
Azo lazaina fa efa niomana tamin'ny tsy fahafahana mifamezivezy eny amin'ireo toerana mafampana ny teto an-drenivohitra. Misy ireo efa niantsena omaly mba isorohana ny fivoahana ny trano. Ho an'ireo tsy maintsy nanana anton-dia kosa tsy azo nialana ivelan'Analakely kosa nefa, tsy maintsy niharitra ny fitohanana rehefa mandalo ireo mpanao fihetsiketsehana. Voakasiky ny fitohanana lavareny manokana ny teny Manjakaray, Ambodivona, Ankorondrano.

Miady amin'ny fiainana

Na eo aza ny raharaha politika mafana eto amin'ny firenena, marobe ireo olona no tsy te hiditra lalina. Tsy maintsy ifantohana hatrany tokoa mantsy ny fitadiavana isan'andro. Amin'izao fiandohan'ny fahavaratra izao dia efa ahitana fiakarana sahady ny vidin'entana eny an-tsena. Miha-sarotra mantsy ny fitaterana sady tsy vitsy ireo entana mora potika. Ny legioma izao, toy ny karoty sy ny voatabia, dia efa miha-lafo. Potika sy lo vetivety mantsy izy ireny raha vao avy ny orana.
Na ireo mpomba ny andaniny na ny ankilany, na ireo izay tsy manan-kevitra mihitsy, samy maniry ny hilaminan'ny fiainam-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires