• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Info Durable
Image
Vaovao

Setroka mandrakotra an’Antananarivo : Mitondra singa simika tsy hita maso sy tsy mahasalama

13/10/2023 16:36 © Moov.Mg

Toa manjombona nefa toa manevokevoka ihany koa ny andro, raha ny eto Antananarivo renivohitra, hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Mihetsika ny tohina (allergie) sy ireo karazan’aretin’ny taovam-pisefoana, ho an’ireo marefo kokoa. Mitondra fanazavana momba ny mahatonga io toetr’andro io ny Dr. SALAMA Jean Claude, talen’ny fitantanana ny fahalotoana sy ny fako eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.

Misy fatra zakan’ny fahasalaman’ny olombelona

Ao anatin’ny vanim-potoana manasara-taona iampitana mankany amin’ny fahavaratra isika izao. Vokatr’izany dia miakatra ny hafanana. Midina miaraka amin’izay ihany koa anefa ny hafainganam-pandehan’ny rivotra, hoy ny fanazavan’ny Dr. SALAMA Jean Claude. Misy akony amin’ny zava-mitranga eo anivon’ny atmosfera io hafainganam-pandehan’ny rivotra io, satria manana andraikitra manaparitaka ny antsoina hoe : PPM (Petites particules matières) ny rivotra, hoy izy. Araka izany, rehefa maina ny andro dia mitsingevana fotsiny eo amin’ny atmosfera izy io, mandrapilatsaky ny orana. Araka ny fanamarihan’ity tomponandraikitra eo anivon’ny MEDD ity dia 15 µg/m3 no fatra farany zakan’ny fahasalaman’ny zanak’olombelona amin’io PPM io. Mitondra singa simika tsy hita maso izy io, ka miteraka olana ara-pahasalamana rehefa tafiditra any anaty taovam-pisefoana na rehefa mikasoka amin’ny hoditra.

Fako sy setroka isan-karazany

Amin’ny ankapobeny dia ny setroka no mahatonga ity « zavona amin’ny andro fahavaratra » ity. Mialohan’ny tena hidirana amin’ny fahavaratra mantsy, araka ny fanamarihan’ny Dr. SALAMA Jean Claude, dia saika manenjika ny asany daholo ny olona rehetra. Isan’izany ny fandorana biriky, izay miteraka setroka ahitana ny PPM. Manampy trotraka izany ny setroka avoakan’ny fiarakodia, izay maro no efa tranainy eto amintsika, ka mamoaka setroka be ihany koa. Ankoatra ireo, ny fako miangona, rehefa tratran’ny hafanana, dia mamoaka entona antsoina hoe : « méthane ». Ary efa iaraha-mahalala fa isan’ny mandoto ny tontolo iainana ny fanamboarana saribao sy ny doro tanety, ka tokony imasoana ny ady amin’ny afo.

Malagasy 1 amin’ny 3 no maty

Raha amin’izao vanim-potoana misy antsika izao dia tsy misy na inona na inona azo atao, hoy ny Dr. SALAMA Jean Claude, fa andrasana ny hirotsahan’ny orana. Ny orana no manaparitaka ireo singa simika tsy hita maso. Mitombo ihany koa, amin’izay fotoana izay, ny hafainganam-pandehan’ny rivotra, ka mitsoka ny PPM miantona amin’ny atmosfera sy manaparitaka izany. Raha ny antontan’isa nivoaka tao anatin’ny drafitrasan'i Madagasikara momba ny fahasalamana sy ny loton'ny tontolo iainana (Plan d’Action de Madagascar sur la Santé et la Pollution) moa dia Malagasy 1 amin’ny 3 no maty aloha loatra vokatry ny loton’ny tontolo iainana.

Lire la suite

Articles Similaires