• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Nr
Image
Vaovao

Vary mora eny amin’ny mpaninjara : 800 Ar ny makalioka, 750 Ar ny vary nafarana

13/10/2023 16:33 © Moov.Mg

Miditra tsikelikely ao anatin’ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra isika izao, fotoana mampiakatra ny vidim-bary. Mba hifehezana ny fiakaran’ny vidin’ny vary dia nisy ny fepetra noraisin’ny minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra, hitsinjarana ny vary mora vidy eny amin’ireo mpivarora enta-madinika eto Antananarivo.

Vanim-potoanan’ny maitso ahitra

Efa nanomboka ny fanapariahana ireo vary eny amin’ireo mpaninjara eto Antananarivo Renivohitra, Avaradrano ary Atsimondrano. Amidy amin’ny vidiny 800 Ar ny makalioka vokatra avy eto an-toerana, raha toa ka 750 Ar kosa no azo anjifana ny vary nafarana. Araka ny fanazavan-dRandriamiaramahefa Andriniaina, Tale misahana ny varotra anatiny eo anivon’ny minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra, dia tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny ministera izao, mba tsy hampidangana ny vidin’ny vary rehefa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra. Miara-miasa amin’ny orinasa State Procurement of Madagascar (SPM) ny ministera, amin’ny fanapariahana ireo vary ireo.

Fiaraha-miasa amin’ireo tantsaha

Araka ny fanazavana hatrany dia misy ny fiaraha-miasa amin’ireo tantsaha mpamokatra malagasy, amin’ny fangalan’ny minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ny vary vokatr’izy ireo. Tanjona amin’izany ny tsy hahafanty antoka ny tantsaha, ka tsy hidinan’ny vidin’ny vary vokatra eto an-toerana ho lasa ambany loatra. Efa nanatanterahana izany fiaraha-miasa izany tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Itasy. Momba ny fitsinjarana kosa, araka ny fanazavan’ny Tale ara-barotry ny SPM, Andriantahiana Rivo, dia hametahana afisy eny amin’ireo mpivarotra entan-kely izay mivarotra ireto vary mora ireto. Nomarihiny fa voakasik’izao paikady izao avokoa Antananarivo iray manontolo, ka tsy tokony hiahiahy ny amin’ny fidangan’ny vidim-bary ny mponina.

Lire la suite

Articles Similaires