• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fahavitan-tena ara-tsakafo : laharana faha-8 amin’ireo firenena mpanafatra vary indrindra aty Afrika i Madagasikara

13/10/2023 14:02 © Moov.Mg

Nahatratra 632 125 taonina ny vary nafaran’i Madagasikara tamin’ny taona 2022, raha ny tarehimarika navoakan’ny Trade Map. Taham-panafarana isan’ny ambony izy io, ary mametraka an’i Madagasikara ho eo amin’ny laharana faha-8 amin’ireo firenena mpanafatra vary indrindra aty Afrika, araka ny filaharana navoakan’ny Agence Ecofin, ho an’io taona 2022 io hatrany.

Velaran-tany midadasika

Vola 325 tapitrisa dolara no nampiasain’i Madagasikara nanafarana vary tamin’ny taona 2022, raha ny tatitra nataon'ny Agence Ecofin. Tany mamokatra anefa i Madagasikara, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo sompitra roa malaza, dia Ambatondrazaka sy i Marovoay. Voalaza fa tantsaha ny 80%-n’ny Malagasy ary ny vary no foto-tsakafo. Mbola midadasika ny velaran-tany azo amokarana eto Madagasikara, na an-drano na an-tanety, saingy mbola tsy voatrandraka. Azo atao tsara, araka izany, ny mifototra amin'ny famokarana vary, fa mila paikady mahomby sy azo antoka mba hahitam-pahombiazana. Isan’ny vina napetrak’izao fitondrana izao rahateo ny hahalasa an’i Madagasikara ho firenena mpanondrana vary.

Mila tosika ireo tantsaha

Tsy maharaka an’ireo firenena any Azia ny tany Afrikanina raha hiasa sy hamokatra, raha ny fahitan’i Baomiavotse Raharinirina, minisitry ny tontolo iainana teo aloha azy. Etsy an-daniny, misy fiantraikany ratsy amin’ny fambolena ny fiovan’ny toetr’andro, maro ireo tany potiky ny doro ala sy doro tanety, ka tsy mahavokatra intsony. Etsy an-daniny dia mbola sakana tsy mampiroborobo ny famokarana ny olan’ny fananan-tany eto amintsika. Tsy ampy fitaovana rahateo koa ny tantsaha mpamokatra. Noho izany dia manana anjara toerana lehibe ny fanomezana tosika ireo tantsaha sy ny fanamafisana ny traikefan’izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny Fanomezana fitaovam-pamokarana, ny fizarana masomboly mifanaraka amin’ny toe-tany sy toetr’andro, ny fanatsarana ny fitantanan-drano, ary ny fanamboarana ny fanavaozana ireo lalana izay manamora ny fivezivezen’ny vokatra.

Mametraka pôlitikan’ny vary

Araka izany dia mila apetraka tsara sy mazava eto Madagasikara ny pôlitikan’ny vary. Raha voavaha ireo olana rehetra misakana ny famokarana dia ho tanteraka ny tanjona hamatsy vary ny kaontinanta Afrikanina sy ny firenena hafa manodidina. Ho tonga any amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ihany koa ny Malagasy. Fa na izany aza, misy singa hafa tokony hojerena, hoy i Baomiavotse Raharinirina. Isan’izany ny isan’ny vava velomina isan-tokantrano, izay tsy mitsaha-mitombo. Tahaka izany ihany koa ny fahazarana ara-tsakafo, satria mbola sarotra amin’ny maro ny miala amin’ny vary, fa io ihany no foto-tsakafo tokana haniny. Marihina fa i Côte d'Ivoire no mitana ny laharana voalohany amin’ireo firenena mpanafatra vary indrindra aty Afrika, ka mitentina 810 tapitrisa dolara no vola navoakany ho amin'izany.

Lire la suite

Articles Similaires