• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Mpandraharaha vao misondrotra : misedra olana maro, lasa milavo lefona

13/10/2023 13:52 © Moov.Mg

Na dia efa maro aza ny tanora no mamorona asa ho an’ny tenany ain’izao fotoana izao, dia mbola manahirana ny mandraharaha eto Madagasikara. Misedra olana maro ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany, araka ny fanazavana nentin’i Domoina Rasamoelson, mpandrarahara no sady mpampiofana momba ny fandraharaharana.

Tsy voatery hila vola be

Ny sakana voalohany dia ny faharisihan’ny olona handraharaha mihitsy. Matetika dia heverina fa mila vola be ny fidirana amin’io sehatra io, nefa ny fananganana tetikasa dia tsy voatery ho mira vola, hoy i Domoina Rasamoelson. Mila atao mipetrapetraka tsara, araka ny toroheviny, ny fananganana tetikasa (montage de projet). Rehefa vita tsara izany dia afaka mahita famatsiam-bola mba hahatafavoaka. Sakana tsy mampiroso ny tanora amin’ny fandraharaharana ihany koa ny fahazarana ara-tsakafo misy eto Madagasikara. Ohatra amin’izany, ny fiheverantsika fa tsy voky raha tsy mihinam-bary, nefa marobe ireo vokatra eto amintsika no mahasolo izany vary izany. Mametra ny fitrandrahan’ny mpandraharaha ireo vokatra izany, hany ka misy ireo lo fotsiny, nefa tokony ho azo entina miady amin’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka eto amintsika.

Tsy fahamarinan-toerana

Rehefa tafiditra ao anatin’ny fandraharaharana indray dia mipetraka ho olana ny fomba fametrahana vidin-javatra. Maro amin’ireo mpandraharaha no te hametraka vidy mitovy amin’ny an’ireo mpamokatra vaventy, hoy i Domoina Rasamoelson. Noho izany dia lasa tsy mamokatra ho an’ny sarababem-bahoaka ireo mpandraharaha, fa manome vahana sokajin’olona manana fahefa-mividy ambony. Manaraka izany dia ilaina ny manamafy ny rohim-pamokarana mba tsy ho tapaka. Ny zava-misy mantsy dia matahotra mampiasa vola eto an-toerana ny olona, noho ny tsy fisian’ny fahamarinan-toerana ara-pôlitika sy ara-toekarena, hany ka aleony manjifa vokatra avy any ivelany. Mampilavo lefona ireo tanora efa nanandrana nandraharaha indraindray ny zava-misy eto amintsika.

Andraikitry ny haino aman-jery

Efa mihabetsaka ankehitriny ny mpandraharaha vao misondrondra no mandray anjara amin’ireny hetsika ara-barotra isan-karazany ireny, ho fampahafantarana ny vokatra vokariny, raha mitaha amin’ny tamin’ny taona 2017 tany ho any, araka ny fandinihan’i Domoina Rasamoelson. Na izany aza anefa, mbola tsy ampy ny fampahafantarana azy ireo. Ankoatra ny ezaka ataon’ireo mpandraharaha, dia manana andraikitra amin’ny fampiroboroboana azy ireo ihany koa ny haino aman-jery, hoy izy. Tsy voatery hiditra amin’ny fanaovana dokam-barotra ireo mpandraharaha amin’izany, fa manana andraikitra manabe ireo fitaovan-tserasera, mba handrisihana ny tanora handraharaha.

Lire la suite

Articles Similaires