• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Asa Vaventy : Hamboarina ireo teboka mainty amin’iny RNT14 iny

12/10/2023 19:07 © Moov.Mg

Nanatanteraka fidinana ifotony tany amin’ny làlam-pirenena faha-14 (RNT14) iny ny delegasiona notarihin’ny ministeran’ny Asa Vaventy tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Nanamarika manokana ny dian’izy ireo ny fijerena ny asa fanitarana sy fanamafisana ny tetezan’i Mangalahenatra. Nandritra ny diany dia nilaza ihany koa ny ministra fa hamboarina ireo teboka mainty amin’iny RNT14 iny.

Hanomboka tsy ho ela ny asa

Hanomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana ny làlam-pirenena RNT14 izay mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo, hoy ny ministry ny Asa Vaventy nandritra ny fidinana ifotony izany nataony tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Aorian’ny fanamboarana ny tetezan’i Mangalahenatra izay haharitra 15 andro, dia ny fanamboarana ireo teboka mainty amin’iny RNT14 iny indray no asa manaraka izay hirosoana.
An-jatony maro ireo teboka mainty ireo, araka ny nambaran’ny ministeran’ny Asa vaventy. Vinavinaina haharitra 8 volana ny asa araka izany. Ratsy dia ratsy tokoa ny làlana, ary fiara tsy mataho-dàlana sy fiara vaventy ihany no afaka mifamezivezy any an-toerana. Adin’ny valo mahery anefa no hanaovan’ireto farany ny làlana mirefy 92 km ankehitriny ary mety haharitra andro maromaro izany rehefa fotoanan’ny orana.

Esorina ao anatin’ny fitokana-monina i Ikongo

Tanjona voalohany amin’izao asa fanamboarana ny teboka mainty izao ny hanalana an’i Ikongo ao anatin’ny fitokana-monina. Miteraka faty antoka ho an’ny toe-karena any an-toerana tokoa izany faharatsian’ny làlana izany. Ahitana tany lonaka sady tena mahavokatra vary, haninkotrana, fary sns anefa ity distrika ity. Noho ny faharatsian’ny làlana dia manjary lafo vidy ireo fitaovana sy akora ilaina amin’ny andavanandro (PPN). Sarotra ihany koa ny famoahana ny vokatra noho io làlana ratsy io.
Hambaroarina afaka fotoana vitsy ary ireo fahasimbana na ireo teboka mainty rehetra hita amin’iny RNT14 iny. Manamafy kosa anefa ny ministera fa mbola tsy hatao tara aloha ny làlana na izany aza fa ireo teboka mainty ihany aloha no henjehana. Inoana fa hanatsara ny fivezivezen’ny mponina sy ny fitaterana ireo vokatra sy ny PPN izany asa ho tanterahana izany.

Lire la suite

Articles Similaires