• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Voyage_Forum
Image
Vaovao

Atsimo Atsinanana : Hikatona afaka andro vitsy ny Jono

12/10/2023 18:59 © Moov.Mg

Andro sisa no isaina dia hikatona ny fanjonoana ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana. Miantso ireo mpanjono araka izany ny ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena Manga, mba hanaja ny lalàna velona sy hanaraka ny fandaminana napetraka mifanaraka amin’izany.

Haharitra iray volana ny fikatonana

Ny 15 oktobra ho avy izao no hanomboka hikatona ny fanjonoana an-drano mamy sy an-drano matsaboka ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Haharitra hatramin’ny 15 novambra izany fikatonana izany, araka ny didim-pitondrana laharana faha 16/2021/REG/SE/CR/GOUV/DAGR/AR/Pêche tamin’ny 04 oktobra 2021. Voarara ny fanjonoana mandritra io fe-potoana io, araka izany, koa tsy maintsy ny tahiry eo ampelatanana no ampiasaina.
Ampahafantarina noho izany ireo mpanangom-bokatra ny jono an-drano mamy, izay miasa ao anatin’io faritra io fa nifarana androany 12 oktobra ny fanambarana ny tahiry hazandranomamy. Tsara ny mampahatsiahy fa tsy maintsy miroso amin’izany fanambarana ny tahiry hazandranomamy izany avokoa ireo mpanangom-bokatra rehefa tonga ny fotoanan’ny fikatonan’ny jono toa izao. Eny anivon’ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny Jono no hanaovana izany na ihany koa eny amin’ny sampan-draharaha ny Jono sy ny Toekarena manga.

Fikatonan’ny fanaratovana any amin’ny faritra hafa

Hikatona ny 15 oktobra io ihany koa ny fotoam-panaratovana ho an’ny faritra Ihorombe iray manontolo, izay haharitra ka hatramin’ny 15 desambra. Noho izany dia voarara ihany koa ny asa fanangonana ireo vokatra azo avy amin’ny jono an-dranomamy mandritra izany fikatonana izany. Mahazo fahazoan-dàlana mitondra sy mivarotra trondro kosa anefa ireo manana karatra maha-mpiompy trondro ary efa nahazo alàlana hivarotra izany.
Entanina, araka izany, ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny seha-pihariana ity, mba hanaraka ny didy manan-kery mandritra ireo fotoana fikatonan’ny jono ireo. Mahavoasazy ny tsy fanarahana izany.

Lire la suite

Articles Similaires