• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Dauphiné Libéré
Image
Vaovao

Fitahirizana ny vokatra : Ahazoana tombony betsaka ny fanamainana voankazo sy legioma

12/10/2023 18:56 © Moov.Mg

Olan’ireo mpamboly eto amintsika ny tsy fahaizana manodina sy mitahiry ny voly. Etsy an-daniny, olan’ireo mpandraharaha madinika ny tsy fahaizany mampahafantatra ny tenany sy ny tsy fahampian’ireo sehatra hahafahan’izy ireo miseho. Iray amin’ireo orinasa niezaka namaha ireo olana ireo ny Soanay, izay miompana amin’ny fanamainana legioma sy voankazo.

Vokatra ara-pahasalamana

Mamokatra legioma sy voankazo betsaka i Madagasikara, saingy maro amin’izy ireny no lo fotsiny, amin’ny fotoana fahavokarany. Ifampitadiavana izy ireny avy eo, rehefa main-tany na amin’ny vanim-potoana tsy mampisy azy. Vahaolana azo entina mitahiry azy ireny ny fanamainana azy, ary izany indrindra no safidin’i Nirina Reboza, mpanorina sy mpitantana ny orinasa Soanay. Tsy sarotra tehirizina ny legioma sy voankazo nohamainina, araka ny fanazavany. Ara-pahasalamana ihany koa, raha mitaha amin’ireo vita anaty boaty, izay misy singa simika. Ankoatra izay dia mora entina izy, tsy mavesatra, ka vahaolana hihinana sakafo ara-pahasalamana na aiza na aiza, ho an’ny olona tia tsakotsako nefa te hitandrina bika. Mety ho an’ireo olona manana olana ara-pahasalamana, toy ny diabetika sy ny miakatra tosidra ihany koa ny vokatra Soanay, satria tsy misy fanampina siramamy na akora hafa, fa natoraly tanteraka.

Nianarana manokana

Niofana manokana momba ny fanodinana ny voankazo sy legioma i Nirina Reboza, niaraka tamin’ny fandaharan'asan'ny Firenena mikambana ho an'ny Fampandrosoana (PNUD), raha ny fanazavany. Ity fanodinana vokatra ity mihitsy no noeritreretiny hatao, rehefa tonga ny fotoana maha-retirety azy, hoy izy. Miezaka mampiroborobo ny orinasany i Nirina Reboza, ka isan’ireo voafantina tao anatin’ny andiany voalohany, nisitraka ny tohana ara-bolan’ny tetikasa Mitsiry, izay novolavolain’ny Sampan-draharaha Amerikanina momba ny fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID) sy ny Miarakap. Isan’ireo misitraka ny fanohanan’ny fandaharanasa SME BLP (Small and Me­dium Enterprise Business Linkage Program) sy ny BIC Africa ihany koa izy. Sady fomba entin’i Nirina Reboza mampandroso ny orinasany izany, no ho fampahafantarana ny vokatra vokariny ihany koa. Ankoatra izay dia miezaka hatrany izy mandray anjara ami’ireo hetsika ara-barotra, toy ny foara isan-karazany.

Any Taolagnaro no ahitana ny orisana Soanay, fa efa Miara-miasa amin’ireo toeram-pivarotana eto Antananarivo ihany koa. Efa manomboka manjifa ny vokatra Soanay ny malagasy, araka ny voalazan’i Nirina Reboza, raha ny tera-tany vahiny teo aloha no tena mahalala ny voka-tsoa sy ny tombony entin’ny voankazo sy ny legioma nohamainina.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires