• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Primature
Image
Vaovao

Fifidianana filoham-pirenena 2023 : Ahemotra ny 16 novambra

12/10/2023 18:43 © Moov.Mg

Noraisin'ny HCC ny fanapahan-kevitra ny amin'ny hanemorana ny fifidianana filoham-pirenena 2023 eto Madagasikara. Raha ny 9 novambra no nokasaina ho tanterahina ny fihodinana voalohany, ny 16 novambra indray no daty vaovao, izany hoe misy elanelana herinandro.

Fandinihana ny taratasy napetraky ny kandidà iray, Andry Tsiverizo Raobelina, izay tsy salama no nahatonga ny fanapahan-kevitry ny HCC. "Cas de force majeure" moa no nitsarana ny raharaha. Androany tolakandro no tapaka fa misy fihemorana ny datim-pifidianana. Ny fihodinana voalohany ihany nefa no voakasika. Tazomina ny datin'ny 20 desambra ho an'ny fihodinana faharoa.

Fampielezan-kevitra

Tsy mihemotra akory ny daty fanombohan'ny fampielezan-kevitra. Miitatra aza izany ka ny 15 novambra vao ho tapitra. Azon'ireo efa nanomboka atao tsara ny manohy ireo programa efa nomanina handresena lahatra ireo mpifidy. Ny kandida Andry Rajoelina, rehefa avy any Antsiranana, dia nihazo an'Ambilobe. Tsikaritra kosa fa nanomboka ny propagandy ilay kandida tsy miaraka amin'ny "Collectif des candidats", dia i Daniela Raderanirina.
Etsy ankilany kosa, mbola miziriziry manohy ny hetsika politika ireo kandida mivondrona miisa 11. Tsy mbola hiroso amin'ny fampielezan-kevitra mihitsy izy ireo raha tsy mivaly ny fitakiana, araka ny fanambarana izay niraisan'izy ireo. Androany 12 oktobra dia teny Ampasika, Andohatapenaka sy 67ha no nanatontosana ny diabe. Marihana fa tsy nisy ny fifanandrinana tamin'ireo mpitandro ny filaminana sy ireo mpitarika & mpandray anjara.

Raharaha politika mafana

Anisan'ny andrasan'ny maro ny fanapahan-kevitry ny HCC mikasika ny fangatahan'Andriamatoa Herimanana Razafimahefa handray ny fitondrana. Tsy mbola nisy vaovao nefa ny mikasika izany. Ny tolakandro teo, nesorin'ireo loholona tsy ho filohan'ny antenimierandoholona intsony ny tenany, tamin'ny alalan'ny latsa-bato. Mialoha izany dia tsy nanaiky ny hametraka samboady tamin'ny loholona izay vao voatendry, dia ny Jeneraly Richard Ravalomanana, i Herimanana Razafimahefa. Nesorin'ny TGV sy ny IRD tsy ho mpikambana amin'ny antoko mpanohana an'i Andry Rajoelina ihany koa ny tenany.

Lire la suite

Articles Similaires