• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Tetikasa FOLUR Madagascar : sady mamokatra no miaro ny tontolo iainana

12/10/2023 16:20 © Moov.Mg

Vita sonia androany, teny amin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Maharitra (MEDD), eny Antsahavola, ny tetikasa FOLUR Madagascar. Tonga nanotrona izany lanonana izany ny minisitry ny MEDD, Vina Marie-Orléa, ny avy ao amin’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE) ary ny solontenan’ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana misahana ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO) eto amintsika, Charles Boliko.

Miaro amin’ny fomba maharitra

Tanjon’ity tetikasa FOLUR Madagascar ity, araka ny fanazavan’ny minisitra Vina Marie-Orléa, ny hanatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo nefa sady miaro amin’ny fomba maharitra ny harena voajanahary. Asa hatao amin’izany ny famokarana vary sy kafe amin’ny faritra 3 eto Madagasikara, dia Amoron’i Mania, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Nosafidiana ireo karazana voly ireo, satria tena manan-danja ho an’ny Malagasy, hoy ny solontenan’ny FAO. Hifototra amin’ny teknikam-pambolena “agroforesterie”, izay haitao miaro ny harena voajanahary ampiasain’ny fambolena izany. Miaraka amin’ny fambolena ny vary sy ny kafe mantsy dia misy ihany koa ny fambolen-kazo, hahafahana manarina ireo tany simban’ny fambolena sy fiompiana. Miaraka amin’izany ny fanentanana ny olona hiady amin’ny doro ala sy ny doro tanety.

Manatsara ny fari-piainan’ny mponina

Ny MEDD no nanomana ny antontan-kevitra ho entina manatanteraka ity tetikasa FOLUR Madagascar ity ary hitarika ny lahasa hotanterahina. Hiara-hiasa akaiky aminy kosa ny MINAE. Ny fandaharan’asa GEF-7 an’ny Tahiry eran-tany momba ny tontolo iainana (FEM) no hamatsy vola ny tetikasa, amin’ny tetibola 9 874 117 dôlara amerikanina. Haharitra 5 taona moa ity tetikasa FOLUR ity, izany hoe : hatramin’ny taona 2028. Tokantrano 300.000 isa no hahazo tombony amin’izany, hahafahan’izy ireo manatsara ny fari-piainany. Hoporofoina amin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity, hoy ny minisitry ny MEDD, fa azo atao tsara ny mampiroborobo ny famokarana sy ny fanatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ary manatsara ny ny fari-piainan’ireo mponina manodidina ny faritra arovana, amin’ny alalan’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary.

Lire la suite

Articles Similaires