• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © David Pereiras
Image
Vaovao

Olana ara-tsaina : Hahazo ny 60%-n’ny olona amin’ny taona 2030

12/10/2023 14:48 © Moov.Mg

Ho tratran’ny olana ara-tsaina avokoa ny 60%-n’ny olombelona eto ambonin’ny tany amin’ny taona 2030, raha ny vinavinan’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny fahasalamana (OMS).

Efa voakasik’izany tanteraka i Madagasikara, satria raha ny antontan’isa avy amin’ny fanadihadiana MINI dia manodidina ny 47%-n’ny olona no tratran’ny fikorontanan-tsaina eto Antananarivo. Azo atao kosa ny miala amin’izany sy miova tsikelikely, hoy ny Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo, dokotera mpandidy sady minisitry ny fahasalamam-bahoaka teo aloha.

Sokajin’aretin-tsaina efatra

Mizara sokajy 4 ireo karazan’aretin-tsaina tena mpahazo ny olombelona ankehitriny, raha ny voka-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana momba ny fahasalamana ara-tsaina, izay nohazavain’ny Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo. Voalohany amin’izany ilay mitebiteby lava (trouble anxieux), manaraka izany ny tsy fahamarinan-toeran’ny fihetseham-po (trouble de l’humeur), eo koa ny tsy fahaizana miaina mitovy amin’ny olona rehetra (trouble de la personnalité et du comportement), ary farany, ny fivadihan’ny toe-tsaina sy ny toe-po ary ny fahatsapana (trouble psychotique). Manoloana ireo dia fanontaniana no napetrak’ity profesora ity manao hoe : azo atao ve ny manana fiainana amin’izao 2023 izao ? Eny moa no namaliany izany, satria misy dia misy tokoa ny vahaolana.

Manova fahazaram-piainana

Mba hisorohana ireo karazana fikorontanan-tsaina ireo dia nanolotra torohevitra ny Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo mba hananana fiaingana vaovao. Tena zava-dehibe, hoy izy, ny matory ara-dalàna, fara-fahakeliny adin’ny 6 isan’andro, ho an’ny olon-dehibe. Alohan’ny amin’ny 12 ora alina no tokony hanomboka hatory, mba tsy hahazo vahana ny tsiry mpanentan’ny rarintsaina, ka hitarika fikizintinana mandritra ny tontolo andro. Tokony atao fahazarana ihany koa ny misotro rano 1 litatra hatramin’ny 3 litatra isan’andro, izay tsinjaraina mandritra ny tontolo andro. Ary tsy adino fa misy ireo karazan-tsakafo miady amin’ny olana ara-tsaina, toy ny poavrao, ny laisoa, ny tongolo gasy, sy ny voankazo isan-karazany.

Mifady sigara sy alikaola
Nanamafy ihany koa ny Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo ny amin’ny tokony hifadiana ny sigara, izay ahitana poizina maherin’ny 4 000 isa, ka ny 40 isa amin’ireo dia miteraka homamiadana avokoa. Ny alikaola ihany koa dia tokony hofadiana, na voalaza aza fa ilain’ny vatana. Efa misy tahana alikaola ampy ho an’ny filàna mantsy amin’ireo sakafo hanintsika isan’andro, hoy izy. Farany dia tena ilaina ny mametraka tanjona, miala tsikelikely amin’ireo toetra mitarika any amin’ny tsy fahasalaman’ny saina. Nanomboka ny 8 oktobra ary hitohy hatramin’ny 14 oktobra ho avy izao ity famelabelaran-kevitra ataon’ny Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo ity, eny amin’ny Fiangonana Advantista Soamanandrariny.

Lire la suite

Articles Similaires