• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef_Madagascar
Image
Vaovao

Andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy vavy : Mangina ny fankalazana

11/10/2023 19:49 © Moov.Mg

Ankalazaina isan-taona isaky ny 11 oktobra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy vavy. Ho an’i Madagasikara manokana dia somary mangingina ny fankalazana, tsy nisy ihany koa ny hetsika ofisialy ho fanamarihana izany ho amin’ny andron’ny androany.

Zo fototra tsy voahaja

Resahana sy omen-danja manokana mandritra ity andro iraisam-pirenena ity ireo zo fototra tokony hisitrahan’ny ankizy vavy. Jerena mandritra izany ihany koa ireo olana mety hatrehan’ny ankizivavy eny anivon’ny fiarahamonina ary ireo antony mahatonga azy ireo tsy misitraka ny zo izay ananany.
Zo fototra iray mbola tsy isitrahan’ny ankizy vavy maro manerana ny Nosy ny zo hianatra. « Najanon’i dada sy mamanay tamin’ny fianarako aho nanomboka tamin’ny heritaona satria tsy nanana fahafahana ny hampiditra ahy an-tsekoly intsony izareo. Izaho anefa mbola te hianatra. » hoy i Avotra, ankizy vavy 13 taona mitantara. Kilasy faha-efatra izy izao nijanona tamin’ny fianarana izao.
Ankoatra ny lafiny fianarana dia anisan’ny olana goavana izay mbola mianjady amin’ny ankizy vavy malagasy ihany koa ny fampanambadiana azy ireo aloha loatra. Tsy vitsy ireo ray aman-dreny manery ny zanany hanambady alohan’ny fotoana noho ny tsy fananam-bola. Ankizy vavy hatramin’ny 110 tapitrisa isa maneran-tany no ahiana hiditra ao anatin’ny fanambadiana aloha loatra ato anatin’ny 10 taona manaraka noho ny fisian’ny valan’aretina COVID-19, araka ny fampahafantarana nataon’ny UNICEF.

Tovovavy mahaleotena

Anisan’ny fomba fiady napetraky ny teo anivon’ny UNICEF hiadiana amin’ny fialana an-dakilasin’ireo ankizy vavy aloha loatra ny fandaharanasa Let Us Learn. Tanjona amin’izany ny hitazomana ireo ankizy fa indrindra ny ankizy vavy an-dakilasy, fa ihany koa ny hisorahana izany fialana an-dakilasy izany. Anisan’ny tanjona napetraka amin’ity fandaharanasa ity ihany koa ny hanatsarana ny fahaizan’ireo ankizy mpianatra.
Tsy misy hafa-tsy ny fianarana tokoa no hany làlana hahafahan’ireo ankizy hanana ho avy mamiratra. Manampy azy ireo hahaleo-tena sy hanana traikefa amin’ny fiainana ihany koa ny fianarana. Efa maro tokoa ankehitriny ireo vehivavy mahaleotena, ao ireo miasa, ao ireo nahavita namorona ny orinasany manokana, ao ihany koa ireo misafidy ny hikarakara tokantrano. Mila hajaina anefa ny zon’ny ankizy vavy mba hahafahan’izy ireo misafidy araka ny tokony ho izy, ny làlam-pianana mety amin’izy ireo rehefa rahatr’izay lehibe.
Amin’izao andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy vavy izao aza dia omen-danja manokana izy ireo. Tsy tokony hijanona amin’ny andro iraisam-pirenena toa izao anefa ny fanentanana mahakasika ny fanajana ny zon’ny ankizy vavy fa tokony hitohy mandava-taona.

Lire la suite

Articles Similaires