• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ong_Tolotsoa
Image
Vaovao

Zotram-pifidianana : nanao tatitra tamin’ny CENI ny Vaomiera momba ny Rariny sy ny Fiadanana

11/10/2023 16:47 © Moov.Mg

Miandrandra ny fanatanterahana ny fifidianana ao anatin’ny fitoniana ny vahoaka rehetra any amin’ny Faritra, amin’ny ankapobeny, hoy ny mpampaka-tenin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI), Soava Andriamarotafika. Ny tatitra nentin’ny Vaomieran'ny Eveka momba ny fampanjariana ny rariny sy ny Fiadanana (Justice et Paix), teo anivon’ity rafitra ity, no anton’izany filazana izany.

Fifanakalozan-kevitra sy fampitam-baovao

Tonga nidinika niaraka tamin’ny CENI ny Vaomieran'ny Eveka momba ny fampanjariana ny rariny sy ny Fiadanana eo anivon’ny fiangonana katôlika. Fifanakalozan-kevitra, fampitam-baovao ary fandraisana ny tatitra avy eny anivon’ireo diosezy manerana ny Nosy no notanterahina tamin’izany. Nahafahana namantatra ny zava-misy any amin’ny Faritra isan-tokony ny fihaonana, hoy i Soava Andriamarotafika. Nandritra izany ihany koa no nanaovan’ny CENI famelabelarana momba izay asa mbola hotanterahina, sy nanazavana ny andraikitra rehetra hifampizaràna ary ny momba ny fahafahana misitraka ny haino aman-jerim-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra, araka ny fanazavana nentin’ny mpampaka-tenin’ny CENI.

Hanara-maso ny zotram-pifidianana

Raha tsiahivina dia ny Papa Ray Masina Paoly faha-VI no namorona ity Vaomiera ity, noho ny fahatsapana fa tsy mirindra araka ny tokony ho izy ny Rariny sy Fiadanana eto an-tany. Araka izany dia mandinika ny fampianaran’ireo Papa nifandimby, momba ny fiaraha-monina, no asa ataony, amin’ny ankapobeny. Misy ao anatin’ny eglizy katôlika maneran-tany ny Vaomiera momba ny fampanjariana ny Rariny sy ny Fiadanana, hoy ny mompera Andriana­solo Sata Jean-Noël, sekretera jeneraly nasiônalin’ny « Justice et Paix ». Tsy mikitika ny fiainam-pirenena fotsiny no antom-pisiany fa mandray anjara amin’ny fifidianana. Araka izany dia hanara-maso ny zotram-pifidianana ity vaomiera ity, izay tranainy indrindra eto Madagasikara momba izay fanaraha-maso ny fifidianana izay, mba hisian’ny ara-dalàna sy ny ara-drariny, hoy hatrany ny fanazavana.

Lire la suite

Articles Similaires