• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Asa vaventy : Hatao pont modulaire ny tetezam-by Mangalahenatra

11/10/2023 16:46 © Moov.Mg

Mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dàlana izay tanterahan’ny eo anivon’ny ministeran’ny Asa Vaventy sy ireo mpiara-miasa aminy. Anisan’ny asa mandeha amin’izao fotoana ny fanamboarana ny tetezam-by Mangalahenatra izay hita any amin’iny làlam-pirenena faha-14 iny (RNT14).

Fahanteran’ny fotodrafitrasa

Havadika « pont modulaire » ny tetezam-by eo Mangalahenatra, teboka halaviran-dàlana PK 10+100 izay hita amin’iny làlam-pirenena faha-14 iny. Ity farany dia mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo. Izao no atao dia noho ny fahanteran’ity tetezana ity izay efa manomboka arafesina ihany koa. Tery ihany koa io fotodrafitrasa io, ka ilaina ny fanoloana azy noho izany.
Tsy maintsy irosoana ny asa fanavaozana ity tetezana ity mba ho fiarovana ny ain’ny mpampiasa làlana amin’ny mety ho lozam-pifamoivoizana. Nidina ifotony nanatri-maso ny fandrosoan’ny asa eny an-toerana ary ny ekipan’ny Asa Vaventy izay notarihan’ny ministra Andrianatrehana Ndriamihaja Livah. Hita teny an-toerana ihany koa ny governoran’ny faritra Fitovinany ary ireo manam-pahefana sivily sy miaramila any an-toerana

Fahatapahan’ny làlana

Efa tonga any an-toerana ireo teknisiana miandraikitra ny asa fanamboarana ity tetezana ity. Efa mandeha ny asa araka izany. Hatomboka amin’ny fanamafisana sy ny fanitarana ny « culée existante » ny asa mialohan’ny hametahana ny « pont modulaire », hoy ny ministeran’ny asa Vaventy manazava.
Mandritra ny faharetan’ny asa fanamboarana dia mampilaza ny ministera fa hisy fanelingelenana ny fifamoivoizana amin’iny teboka halaviran-dàlana iny. Haharitra 15 andro ny fahatapahan’ny làlana raha ny marimarina kokoa. Miantso ny mpampiasa làlana sy ny mponina any an-toerana mba hanaraka an-tsakany sy an-davany ny lamina izay hapetraky ny Ben’ny tanànan’Ambatofotsy araka izany ny ministera mba hampilamina tsara ny asa izay tanterahana, ho tombotsoan’ny besinimaro.

Lire la suite

Articles Similaires