• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Novethic
Image
Vaovao

Toetr’andro : avo 23 heny amin’ny fetra napetraky ny OMS ny loton’ny rivotra

11/10/2023 16:44 © Moov.Mg

Migaingaina manempotra ny andro androany eto Antananarivo. Manerana ny Faritra Analamanga mihitsy io tosak’hafanana be io, raha ny nambaran’ny eo anivon’ny mpamantatra ny toetr’andro, ary haharitra roa andro.

Voakasika Analamanga manontolo

Mandrapirotsaky ny orana, dia hiaina ao anaty hafanana migaingaina ny Faritra Analamanga. Toy izao ny mety ho endrik’izany. Antananarivo Renivohitra : 30°C hatramin’ny 34°C ; Antananarivo Atsimondrano : 30°C hatramin’ny 34°C ; Andramasina : 30°C hatramin’ny 33°C ; Ankazobe : 31°C hatramin’ny 35°C ; Anjozorobe : 28°C hatramin’ny 32°C ; Ambohidratrimo : 30°C hatramin’ny 34°C ary Manjakandriana : 27°C hatramin’ny 31°C. Hidina kosa ny mari-pana aorian’ireo roa andro ireo, izany hoe : any amin’ny zoma any ho any, noho ny orana harahin-kotroka amin’ny tolakandro.

Mihanaka ny aretin’ny taovam-pisefoana

Ankoatra ny hafanana be dia mahatsiaro ho sempotsempotra izany koa ny mponin’Andranivohitra. Tafakatra 349 µg/m3 ny tahan'ny haloton'ny rivotra eto an-drenivohitra amin'izao fotoana izao, raha ny nambaran-dRAZAKAMANARINA Ndranto, filohan'ny Alliance Voahary Gasy ao amin'ny kaonty fesibokiny. Avo 23 heny amin’ny fetra napetraky ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS) anefa izany, hoy ity filohan’ny firaisamonim-pirenena miaro ny tontolo iainana ity. Ny any Inde, araka ny fanazavany, dia tsy mianatra ny ankizy raha vao mihoatra ny avo telo heny amin’ny fenitry ny OMS io haloton'ny rivotra io. Mampihanaka ny tohina (allergie) sy ireo aretin’ny taovam-pisefoana mantsy io rivotra maloto io. Araka izany dia manoro hevitra ny Alliance Voahary Gasy, mba tsy hivoahana ny trano raha tsy efa tena tsy maintsy. Tsara ihany koa raha manao arovava ary ampiasaina ny « climatiseur » ho an’izay afaka mampiasa izany.

Fepetra lavitra ezaka

Efa voalazan’ny Fikambanana eran-tany misahana ny toetr’andro (OMM), tamin’ny volana jolay moa, fa hiverina ilay tranga ara-toetr’andro El Niño, izay hiteraka hafanana mahery vaika noho ny mahazatra. Asa tokony hotanterahina lavitra ezaka, hoy ny filohan'ny Alliance Voahary Gasy, ny fanamaitsoana ny tanàna. Etsy an-daniny, tokony ho hentitra ny fitsirihana ny fiara sy ny famerana ny fiara mivezivezy, ary ny famerana ny fanaovana briky. Fa isan’ny adisisika ataon’ity fikambanan’ny firaisamonim-pirenena misahana ny tontolo iainana ity indrindra koa ny hampiakarana ny arofenitra sy ny tetibola atokana ho an’ny tontolo iainana.

Lire la suite

Articles Similaires