• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Ankizivavy malagasy : tsy misitraka zo ara-panabeazana, ara-pahasalamana, ara-pananahana…

11/10/2023 15:53 © Moov.Mg

Sehatra maro eo amin’ny fiainan’ny ankizivavy malagasy no ahitana taratra fa mbola manjaka ny tsy fitoviana eo amin’ny lahy sy ny vavy eto Madagasikara. Ny mba hahafahana mampisitraka ny vehivavy, dieny mbola kely, ireo zony rehetra, no antom-pisian’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizivavy, izay marihina isaky ny 11 oktobra.

Miala amin’ny fianarana

Araka ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny Oxford Policy Management tamin’ny taona 2022, niarahany niasa tamin’ny Ivotoerampirenana Misahana ny Antontan'isa (INSTAT) sy ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF), dia manana tombony ny ankizivavy, raha mitaha amin’ny ankizilahy, eo amin’ny fidirana an-tsekoly, raha mbola kely. Mandritra ny fotoana maha-adolantsento anefa dia mifamadika ny tsy fitoviana, ary manomboka miala amin’ny fianarana matetika kokoa ny ankizivavy. Maro ny antony : ny halaviran’ny sekoly ambaratonga faharoa izay mitaky fifindrana trano matetika ; ny amban-doza momba ny herisetra ara-nofo, noho ny halaviran’ny toeram-ponenana sy ny sekoly ianarana ; ny tsy fisian’ny trano fidiovana any an-tsekoly, ny fenitra ara-piarahamonina tsy manome lanja loatra ny vehivavy ary ny vohoka aloha loatra, izay mitarika amin’ny fahatapahan’ny fianarana tampoka.

Fikarakarana ara-pahasalamana tsy zarizary

Eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana, amin’ny fotoana maha-adolantsento, dia miaina tsy fahampiana kokoa ny ankizivavy, satria mety ho azon’ny amban-doza ara-piterahana sy fahasalamana ara-pananahana kokoa izy ireo. Na izany aza, ny 43,6%-n’ny ankizilahy sy ankizivavy dia tsy misitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao avokoa, araka ny fanadihadiana MICS 2018. Ho an’ny ankizivavy io fahasahiranana io dia ampitomboin’ny filàna manodidina ny fidiovana mandritra ny fadimbolana, izay misy fiantraikany lehibe amin’ny fiadanana, ny fanilikilihana ary ny fandehanan’izy ireo mianatra. Ho an’ny ankizivavy manana fahasembanana dia vao mainka goavana kokoa ireo olana ireo. Eto Madagasikara dia ankizivavy 1 amin’ny 10, eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 19 taona no tsy mankany an-tsekoly, na tsy mandray anjara amin’ireo karazana hetsika eo amin’ny fiainan’ny fiaraha-monina amin’ny fotoanan’ ny fadimbolana. Ny ankizivavy ihany koa no tena miaina tsifanjariantsakafo, raha mitaha amin’ny ankizilahy.

Tsy ampy fanabeazana ara-pananahana

Olana iray lehibe iraisan’ny ankizilahy sy ny ankizivavy ny momba ny fanabeazana aizana. Heverina ho zava-pady ho an’ny ankizilahy sy ankizivavy mantsy ny fampiasana izany. Tokony hisitraka fanabeazana ara-pananahana feno (ESC) daholo ny ankizy sy ny zatovo, saingy miverin-dalana i Madagasikara ankehitriny, araka ny hevitry ny Coalition Forum Génération Egalité (FGE), raha toa ka efa natao tany an-tsekoly izany teo aloha. Mifantoka fotsiny amin’ny famporisihana ny tanora hifady ny firaisana ara-nofo izany sisa, nefa manomboka eo amin'ny 12 taona ny ankizy malagasy amin’izao no miroso amin'ny firaisana ara-nofo. Tsy mampianatra ny ankizy hijangajanga akory ny ESC, fa mamporisika azy ireo hiaro tena, hoy ny FGE. Sady tsy resaka fananahana ihany no ao anatin’izany, fa mifototra amin’ny fanabeazana feno amin'ny maha-olombelona mihitsy ary manampy ny tanora ho tomponandraikitra feno amin'ny vatany sy amin'ny safidiny.

Fanatsarana ny anjara toeran’ny vehivavy

Noho ireo olana rehetra mbola mianjady amin’ny ankizivavy ireo, dia manoro hevitra ity tatitra ity mba hotohanana ny ankizivavy sy ny fianakavian’izy ireo, mandritra ny fotoana maha-adolantsento, amin’ny alalan’ny fandaharan’asam-piarahamonina mifantoka amin’ny fanatsarana ny anjara toeran’ny vehivavy. Mahakasika ny fisitrahana ireo tolotra manodidina ny fahasalamana dia tokony hatao laharam-pahamehana ny vehivavy mipetraka amina faritra ambanivohitra, izay hahitana ny karazana fahantrana sy tsy ampy sampan-draharaha mandray an-tanana ny fahasalaman’ny ankizivavy. Ankoatra izay dia tokony atsahatra ny herisetra atao amin’ny vehivavy, amin’ny alalan’ny hetsika isan-karazany, toy ny fanentanana samihafa, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra rehetra ary fananganana toerana fanaovana tatitra any amin’ny seha-piarahamonina.

Lire la suite

Articles Similaires