• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Orinasa Miaramila – Moramanga : Hihazo an’i Sina afaka andro vitsy

10/10/2023 21:21 © Moov.Mg

Andro vitsy sisa no isaina dia hanainga hihazo an’i Sina ireo teknisiana eo anivon’ny Orinasa Miaramila ao Moramanga. Teknisiana mpikirakira ny fitaovam-pamokarana ireto hanaraka fiofanana mandritra ny roa volana ireto ka ny 17 oktobra ho avy izao izy ireo no hanainga. any Sina ireto. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’i firenena sinoa sy i Madagasikara izany.

Lanonana fitsofandrano

Androany 10 oktobra no notanterahana tetsy Amparibe ny lanonana fitsofan-drano ireo teknisiana 10 mianadahy. Nanome voninahitra ny fotoana ny ministry ny Fiarovam-pirenena, Rakotoarijaona Josoa. Nanotrona ny fotoana ihany koa ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny ministera.
Ny UM moa dia orinasa iray niorina tamin’ny taona 1978. Izy ity no orinasa eo anivon’ny Tafika malagasy mamokatra ireo bala ampiasaina hianarana eny anivon’ireo toerana mamolavola mpianatra ho manamboninahitra. Izy ireo ihany koa no mamolavova ireo bala fampiasa amin’ireo dingana ifehezana ny fiarovana. Ankoatra izay dia mandrafitra ireo karazana fitaovana maro samihafa ilaina amin’ny andavanandro toy ny farafara sy ny seza eny anivon’ireo toeram-ponenan’ny miaramila ny UM.

Hanatsarana ny fahaiza-manao malagasy

Teknisiana eo anivon’ny orinasa miaramila na ny Usine militaire izay mijoro ao Moramanga avokoa ireto hihazo an’i Sina afaka andro vitsy ireto. Fotoana iray indray io mba hahafan’ny UM fa indrindra indindra, hahafan’i Madagasikara mivelatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Aorian’izany fiofanana izay ho atao any Sina izany dia inona fa hiakatra ny lenta sy ny fahaiza-manaon’ireo teknisiana malagasy. Hitovy amin’ny firenen-kafa ny fahaizan’i Madagasikara manoloana ny fivoaran’ny teknolojia araka izany. Raha jerena dia orinasa avo lenta ny UM. Mandray anjara lehibe amin’ny fampivoarana ny seha-pihariana sy hahafahana mamorona asa ho an’ny tanora ihany koa izy ity.

Lire la suite

Articles Similaires