• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Fambolena sy fiompiana : Hisitraka ivon-toeram-piofanana i Fort Dauphin

10/10/2023 21:17 © Moov.Mg

Sehatra lehibe miantoka ny fahavitan-tena ara-tsakafon’ny malagasy, fa indrindra ihany koa ny fandrosoana an’i Madagasikara eo amin’ny lafiny ara-toekarena ny fambolena sy ny fiompiana. Ao anatin’ny fampiroboroboana izany sehatra izany indrindra ny tetikasa fametrahana ivon-toeram-piofanana.

Hisokatra ny taona 2024

Manomboka amin’io taona 2024 io no hisokatra ity ivon-toeram-piofanana izay natsangana ao Manantantely ao Fort Dauphin. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny fandaharanasa FORMAPROD ary ny fiangonana Loteriana no nahafahana nanangana izao ivon-toerana izao. Araka ny efa natsidika tetsy ambony dia hiompana amin’ny fambolena sy ny fiompiana ny fiofanana. Natao ho an’ireo maniry ny hisehatra ao anatin’ireo seha-pihariana roa ireo araka izany ity ivon-toerana ity.
Tanjona amin’ny fametrahana izao ivon-toeram-piofanana izao ny hampitombo isa ireo teknisiana eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, hoy ny ministera nanamafy. Hanampy ireo tantsaha eny ifotony amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa izy ireo mba hahafahana mampitombo ny vokatra.

Hanampy amin’ny fahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Olana iray lehibe mbola tsy maintsy hatrehan’ny firenena ny tsifanjariantsakafo. Olona miisa 2,23 tapitrisa no fantatra fa tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika teo anelanelan’ny volana novambra 2022 ka hatramin’ny volana marsa 2023 raha iny faritra atsimo sy atsimo atsinanan’ny Nosy iny fotsiny no jerena, araka ny tatitra nataon’ny firenena mikambana.
Ankoatra ny hain-tany sy ny fiovan’ny toetrandro dia anisan’ny mitarika amin’ny tsifanjariantsakafo ihany koa ny tsy fahampian’ny vokatra. Anisan’ny miteraka izany tsy fahampian’ny vokatra izany anefa ny mety tsy fananan’ireo tantsaha ny fahalàlana ara-teknika mahomby. Izany indrindra no antom-pisian’ny tetikasa izay mifototra amin’ny fanokafana ivon-toeram-piofanana mahakasika ny fambolena sy ny Fiompiana. Amin’ity indray mitoraka ity dia ny ao Fort Dauphin indray no hisitraka izany ivon-toerana izany, izay inoana fa hanampy ireo mpiofana hanatsara ny vokatra mba hahafahana mahatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy miady amin’ny tsifanjariantsakafo.

Lire la suite

Articles Similaires