• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Telma
Image
Vaovao

CISCO Fenoarivo Atsimondrano : Nisitraka Sekoly Telma miisa 3

10/10/2023 19:24 © Moov.Mg

Sekoly Telma miisa 3 no notokanana androany teny Fenoarivo, fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Atsimondrano (CISCO Atsimondrano), dia ny tao amin’ny sekoly fanabeazana fototra (EPP) Tsarahonenana, Ankadivoribe ary Ambatolampy. Ireo ankizy kely ao amin’ny Garabola (préscolaire) no tena hisitraka ireto fotodrafitrasa vaovao ireto, izay ahitana efitranon-tsekoly sy toerana fidiovana.

Fanatsarana ny tontolom-panabeazana fototra

Tafiditra ao anatin’ireo asa fanampiana ny mpiara-belona, tanterahin’ny Fondation Axian, izao tetikasa Sekoly Telma izao, tohanan’ny orinasa Telma ara-bola. Tanjona 3 no anton’ny tetikasa, izay tsy mijanona eto Antananarivo fa miparitaka amin’ny Faritra maro manerana an’i Madagasikara. Voalohany amin’izany, araka ny fanazavan’i Claudia Ravelonjato, tomponandraikitra eo anivon’ny Fondation Axian, ny fanatsarana ny tontolom-panabeazana fototra any amin’ireo faritra tena lavitra, ahitana ankizy marefo sy tsy afa-misitraka fibeazana tsara kalitao. Faharoa, ny fanamboarana fotodrafitrasa any amin’ireo toerana tsy ahitana izany ary farany, ny fanatsarana ny fidiovana an-tsekoly, amin’ny alalan’ny fanamboarana toerana fidiovana sy kabone.

Zava-dehibe ho an’ny politikam-panabeazana

Isan’ireo nifanohana tamin’ny Fondation Axian sy ny Telma, tamin’ny fametrahana izao fotodrafitrasa izao, ny fikambanana Kolo Zaza Malagasy (KOZAMA). Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny tale mpanatanteraky ny fikambanana, Rakotoarinoro Liantsoa, dia nanipika izy fa zava-dehibe ho an’ny politikam-panabeazana ny fandalovan’ny ankizy amin’ny akany fibeazana. Miteraka vokatra tsara eo amin’ny zotram-pianaran’izy ireo izany, araka ny fikarohana. Efa 5 taona moa no niarahan’ny KOZAMA niasa tao anatin’izao tetikasa TELMA izao ary sekoly ambaratonga fototra 25 isa no efa nisitraka ny tetikasa, araka ny nampahatsiahivin-dRakotoarinoro Liantsoa. Tsy nijanona tamin’ny vatan-trano fotsiny izany tohana izany, fa teo ihany koa ny fampitaovana sy ny tohana ara-pedagojika.

Fitaovana entina manova ny zavatra

Samy nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana avokoa ireo rehetra nifandimby nandray fitenenana. Solofoharimanana Bruno Alphonse, Ben’ny tanànan’i Fenoarivo, dia nanambara fa ny fianarana no nataony vaindoan-draharaha, saingy mila ny fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra izy, araka ny teny filamatry ny kaominina manao hoe : « miara-miasa, miara-mandroso ». Mifanojo amin’ny teny filamatry ny Fondation Axina rahateo izany, izay manao hoe : « Let’s act together », na « Andao hiara-hientana ».

Ny solontenan’ny Telma kosa dia nitodika tany amin’ireo ankizy sy ireo ray aman-dreny, raha nanafatra mba tsy hanao ambanin-javatra ny fianarana, izay lalana iray ho entina mandroso amin’ny fiainana. Ny solontenan’ny lehiben’ny CISCO Atsimondrano kosa dia nampahatsiahy izay nolazain’i Nelson Mandela manao hoe : ny fanabeazana no fitaovana entina manova ny zavatra rehetra, satria tsy misy na inona na inona azo atao, raha tsy matsilo saina ny vahoaka.


Copyright Image : © Telma

Lire la suite

Articles Similaires