• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Anr
Image
Vaovao

Propagandy : Kandida tokana no miomana amin'ny fifidianana

10/10/2023 19:15 © Moov.Mg

Androany 10 oktobra no fanombohana ofisialy ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana filoham-pirenena. Kandida iray ihany nefa hatreto no tsikaritra fa mandray anjara amin'izany propagandy izany.

Mafana tanteraka ny raharaha politika eto Madagasikara, indrindra moa ny eto afovoan-tany. Tsy nanaiky ny hiroso amin'ny fampielezan-kevitra mantsy ireo kandida mivondrona miisa 11, noho ny fitakiana izay tanterahin'izy ireo, efa herinandro mahery izao. Ny kandida Andry Rajoelina kosa dia nanomboka ny fihetsiketsehana nokarakarainy, entina andresena lahatra ny vahoaka, ny amin'ny handraisany indray ny fitondrana ny firenena.

Fitetezam-paritra

Iray volana latsaka kely no anatanterahana ny fampielezan-kevitra, araka ny voafaritry ny lalàna mikasika ny fifidianana. Hitety vohitra araka izany ireo kandida tsirairay. Ho an'ny kandida Andry Rajoelina manokana, fotoam-bavaka no nanombohany ny propagandy, teny amin'ny Akamasoa. Nafanain'ny mpanakanto ara-pilazantsara malaza maromaro moa ny fotoana. Tazana teny an-toerana ny minisitra roa izay vao avy nametra-pialana, dia ny minisitry ny kolontsaina sy ny serasera, Lalatiana Rakotondrazafy, sy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Michelle Sahondrarimalala. Nihazo an'Antsiranana moa i Andry Rajoelina ny tapak'andro hariva. Efa tamin'ny 6 ora hariva teo ho eo no nigadona tany an-toerana ny tenany.
Tsikaritra fa i Andry Rajoelina irery no mbola nametraka afisy tamin'ireo "panneaux officiels" eny an-dalambe. Efa re tsikelikely amin'ny onjam-peo sy amin'ny tambazotra sosialy moa ireo hira fanentanana.

Doka amin'ny haino aman-jery

Mandritra ny propagandy moa no ampahafantarana ny vahoaka ny tetikasa mandritra ny 5 taona ho avy, raha toa ka hitantana ny firenena ilay mirotsaka ho fidiana. Misy ihany koa ny fanoroana ny fampiasana ny bileta tokana, indrindra fa ho an'ireo olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Malalaka ny kandida tsirairay ny amin'ny doka izay ataony, indrindra eny anivon'ireo haino aman-jery isan-karazany. Tsy vitsy ireo efa miomana amin'ny fandaharana manokana amin'ny fahitalavitra na onjam-peo tsy miankina. Tsy adino ny fampahafantarana amin'ny gazety an-tsoratra sy amin'ny afisy.

Lire la suite

Articles Similaires