• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sifaka
Image
Vaovao

Fiarovana ny mpanao gazety vehivavy : hatsangana ny rafitra hahafahan’izy ireo mitoroka

10/10/2023 19:10 © Moov.Mg

Efa niharan’ny herisetra an’habaka avokoa ny telo ampahaefatry ny mpanao gazety vehivavy, raha ny antontan’isa navoakan’ny rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa (UNESCO), tamin’ny taona 2020. Isan’ireo misedra herisetra ihany koa ny mpanao gazety vehivavy eto aminsika, antony hananganana rafitra ho fiarovana azy ireo.

Herisetra amin’ny endriny isan-karazany

Raha ny fanadihadiana nataon’ny ONG Sifaka dia efa niharan’ny herisetra avokoa ny 70%-n’ny vehivavy mpanao gazety amin’ny onjampeo, manerana ireo onjampeo 50 miara-miasa amin’ny ONG Sifaka eto Madagasikara. Miseho amin’ny endrika isan-karazany izany, toy ny fanararaotana ara-nofo sy ny herisetra ara-tsaina. Maro karazana ihany koa ireo olona mampihatra heristra amin’ny vehivavy mpanao gazety, manomboka amin’ny mpampiasa azy sy ny mpiara-miasa aminy, hatramin’ireo loharanom-baovao, toy ny mpandraharaha, ny mpanao pôlitika, na ny olon-tsotra ihany koa. Tsy dia mba noresahina firy anefa izany tranga izany hatramin’izay, na eo aza ny vesatry ny herisetra iainan’ireo mpanao gazety sasany amin’ny andavanandro.

Fiaraha-miasa amin’ny mpisolovava sy ny psikôlôgy

Mila fiarovana ireo vehivavy mpanao gazety, indrindra ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao, izay mampirongatra ny herisetra isan-karazany. Hisy ny fananganana rafitra antsoina hoe : « cellule genre et pratique journalistique », eo anivon’ny holafitry ny mpanao gazety (OJM), araka ny fanazavan’i Harrison Ratovondrahona, tale mpanatanteraky ny ONG Sifaka. Eo anivon’izany rafitra izany no handraisana ny fitarainan’ireo mpanao gazety vehivavy niharan’ny herisetra. Vita sonia androany teny amin’ny biraon’ny OJM eny Ambohidahy ity fifanaraham-piaraha-miasa ity, izay marihina fa ny UNESCO no hamatsy vola azy. Hisy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny holafitry ny mpisolovava sy ny holafitry ny psikôlôgy, mba hanohizana ny dingana aorian’ny fitorohana.

Lire la suite

Articles Similaires