• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Us Embassy Madagascar
Image
Vaovao

Fampielezan-kevitra : zava-dehibe amin’ny kalitaon’ny fitantanana ny firenena ny fifidianana, hoy i Etazonia

10/10/2023 18:58 © Moov.Mg

Namoaka fanambarana ny misiôna amerikanina, amin’izao daty ôfisialy fanombohan’ny fampielezan-kevitra eto Madagasikara izao. Ny hisian’ny fifidianana malalaka sy madio no tian’i Etazonia notsipihina tao anatin’izany.

Fahalalahana maneho hevitra

Ny fifidianana dia na hampandroso, na hampihemotra ny fampandrosoana ara-demokratika sy ara-toekarena maharitra ao amin'ny firenena iray, hoy ny fanambarana navoakan’ny Misiona amerikanina. Noho izany indrindra dia manentana ny governemanta iaraha-mitantana sy ny kandidà rehetra i Etazonia, mba hanao ny ezaka hanohanana ny fifidianana malalaka sy madio ary koa ny zotram-pifidianana eken’ny rehetra sady atokisan'ny mpifidy sy ny olom-boafidy. Manoro hevitra mba hahatongavana amin’izany i Etazonia, dia ny tokony hanajan’ny governemanta ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan’ireo kandida rehetra sy ireo mpiara-dia aminy, hivory am-pilaminana. Tokony omena ireo kandida rehetra ny fitoviana amin’ny fisitrahana ny haino aman-jery sy ireo toerana fanaovana fampielezan-kevitra, hoy hatrany ny fanambarana.

Fifaninanana ara-politika

Nanamarika ny Misiona amerikanina fa zava-dehibe amin’ny kalitaon’ny fitantanana ny firenena ny fifidianana. Raha tiana ny hananana fifidianana malalaka sy madio dia tokony hisy ny tena fifaninanana ara-politika ary tsy maintsy hita taratra ny fahalalahana maneho ny safidim-bahoaka. Notsiahivin’ny fanambarana fa nisy ny fihaonan’ny filoha amerikanina, Joe Biden, tamin’ireo mpitondra Afrikanina, nandritra ny fihaonana an-tampony Etazonia-Afrika. Tamin’izany dia nanamafy ny fahavononany hanatanteraka fifidianana malalaka sy madio, anaty zotram-pifidianana mangarahara ireo mpitondra miisa enina, isan’izany ny an’i Madagasikara. Voalaza koa fa tokony tantanan’ny vaomieram-pifidianana mahefa sy mahaleo tena ary tsy mitanila izany, araka izay voafaritry ny Sata Afrikana momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantanana.

Safidy ao anaty tontolo milamina

Ao anatin’zao vanim-potoanan’ny fifidianana izao ary dia miantso ireo kandidà i Etazonia mba hitandro ny filaminam-bahoaka rehefa hampahafantatra ny fandaharanasany sy haneho ny heviny amin’ny alalan’ny hetsika famoriam-bahoaka sy fampielezan-kevitra, izay tokony hotanterahina am-pilaminana. Zo feno ananan’ny vahoaka mantsy ny mandinika ny ho safidiny ao anatin’ny tontolo milamina sy azo antoka, mialohan’ny hanehoany izany safidiny izany amin’ny alalan’ny latsa-bato. Mijoro miaraka amin’ny vahoaka Malagasy i Etazonia amin’ny safidiny ny amin’izay hitondra ny fireneny, hoy ny Ambasadaoro Amerikana Claire Pierangelo.

Lire la suite

Articles Similaires