• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

DRED Vakinankaratra : Ady amin’ny doro-tanety

10/10/2023 11:36 © Midi Madagasikara

Hamafisina ny fanentanana amin’ireo faritra arovana

Ao anatin’ny vanim-potoana main-tany izay mampirongatra tanteraka ny doro-tanety isika amin’izao fotona. Maina ny ahitra ka pitik’afo kely monja dia mety hitarika amin’ny famaizana ny ala sy ny tanety aman’hekitara. Noho izany dia mila fahamaloina sy fitandremana goavana, indrindra indrinda fa ny fanentanana eny ifotony ny vahoaka mba hisorohana ny loza.

Natao vaindohandraharan’ny eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy eto Vakinankaratra ity resaka fanentanana ity.

Dingana telo no lalovana hoy Rtoa Tojotsara Ratefason talem-paritry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy eto Vakinankaratra. Voalohany ny fisorohana mba tsy hisian’ny loza, raha toa ka misy misy moa ny afo dia miditra amin’ny dingana faharoa dia ny famonoana ny afo iarahana amin’ireo vahoaka eny ifotony. Fahatelo farany ny Fitavadiavana ny nahavanon-doza hatolotra eny amin’ny fitsarana.

_Manampy betsaka ny fitalevam-paritra ny fisian’ny « suivi satellitaire des feux » izany hoe efa hitan’ny zana-bolana avokoa ny mety ho toetran’ny afo rahampitso amina faritra iray. Amin’ny alalan’ity teknojia ity no hisafidian’ny fitalevam-paritra ny toerana hanaovana fanentanana. Raha hazavaina fohy dia ahafahana mamantatra sy maminaviana ny mety hisian’ny afo amina toerana iray ny fiasan’ity zanabolana miasa ity. _

Miisa dimy ny faritra tena arovana toy ny anakandriamaso eto Vakinankaratra : Ny faritra arovana Ibity, ny faritra arovana Tsinjoarivo izay iarahana amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ny faritra arovana Ankaratra Tsiafajavoana, ny ilany avaratra dia ny faritra arovana Tandavanala ao amin’ny distrika Antanifotsy kaominina Belanitra, ary farany ny farira arovana Ampotaka, faritra botanika tsy voajanahary fa noforonina.

Tsy miasa irery ny DRED amin’ny fisorohana fa miara miasa amin’ny mpitandro filaminana izay tarihin’ny prefet an’Antsirabe. Tsy voatery ireo faritra arovana ireo ihany no vaindohan-draharaha fa hanaovana fanentanana avokoa rehefa faritra eto Vakinankaratra.

Lire la suite

Articles Similaires