• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

RNS12 : Nijery akaiky ny kalitaon’ny asa ny Banky iraisam-pirenena

09/10/2023 16:44 © Moov.Mg

Anisan’ireo asa tohanan’ny Banky iraisam-pirenena vola ny fanamboarana iny làlam-pirenena faha-12 (RNS12) iny, izay mampitohy an’Irondro sy Vangaindrano.

Fidinana ifotony

Niroso tamin’ny fidinana ifotony nijerena ny kalitaon’ny asa fanamboaran-dàlana izay atao amin’iny làlam-pirenena faha-12 iny androany 09 Oktobra ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny ekipan’ny ministeran’ny Asa Vaventy. Teo ihany koa ireo mpanara-maso ny asa sy ny solontenan’ireo orinasa niandraikitra ny fanatanterahana ny asa.

Naraha-maso nandritra izany ny kalitaon’ny asa fanarenana izay natao fa ihany koa ny fandrosoan’ny asa. « Miroso ny asa ary manaraka ny fenitra takiana ny asa. » hoy ny ministera mitatitra.
Ireo asa tanterahana
Anisan’ireo làlam-pirenena nahitana fahasimbana goavana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza ity RNS12 ity. Tsy maintsy nirosoana haingana ny fanarenana azy araka izany. Tafiditra tao anatin’ny asa notanterahana ny « traitement de brèche » hita eo amin’ny teboka halaviran-dàlana (PK) 57+800. Teo ihany koa ny fikojana ny ampahan-dàlana 54 na ihany koa ny « tronçon de chaussées » eo amin’ny PK 1+100 ka hatrany amin’ny PK98. Tsy ho ela intsony dia ho vita ireo asa fanarenana ireo izay marihina fa efa 71,23% ny fandrosoany. Hanatsara ny fivezivezen’ny olona sy ny fitaterana ireo karazan’entana isan-karazany tokoa ny fahavitan’ny làlana.
Ankoatra ny fanamboaran-dàlana dia tafiditra ao anatin’ny tohana ara-bola nomen’ny Banky iraisam-pirenena ihany koa ny fanarenana ny biraom-paritry ny Asa vaventy ao Fitovinany, Vatovavy, Atsimo Atsinanana. Tsara ny manamarika fa efa vita tanteraka ny asa fanatsarana ireo birao ireo ankehitriny.

Lire la suite

Articles Similaires