• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Vaksiny miady amin’ny homamiadan’ny vozon-tranon-jaza : andrasana ny fankatoavan’ny Ministeran’ny fahasalamana

09/10/2023 16:35 © Moov.Mg

Ny fisorohana no tena tokony atao, mba hiadiana amin’ireo karazana homamiadana, indrindra ireo mpahazo ny vehivavavy. Arakaraky ny ahitana mialoha ny aretina mantsy no mampitombo ny vintana hahasitranana. Isan’ny fisorohana mahomby, ampiasain’ireo firenena tandrefana maro, ny vaksiny miady amin’ny virosy antsoina hoe HPV (Human Papilloma Virus), afaka miaro amin’ny homamiadan’ny vozon-tranon-jaza, saingy mbola tsy misy kosa eto amintsika.

Tsy fahazarana mitily

Vehivavy 2 460 no namoy ny ainy vokatry ny homamiadan’ny nono teto Madagasikara, tamin’ny taona 2020. Niisa1610 kosa ireo maty vokatry ny homamiadan’ny vozon-tranon-jaza. Ireo karazana homamiadana roa ireo no tena mateti-pitranga indrindra eto amintsika. Raha ny tokony ho izy, tsy sarotra ny mitily azy ireo, saingy mbola tsy manana fahazarana manao izany ny olona. Raha ho an’ny homamiadan’ny nono izao, dia azo atao tsara ny mitsapa ny nono samy irery, na manatona tobim-pahasalamana. Misy ihany koa ny fitarafana, amin’ny alalan’ny « mammographie », izay tokony atomboka eo anelanelan’ny 40 hatramin’ny faha-44 taona. Tokony hanao azy isan-taona kosa, eo anelanelan’ny 45 hatramin’ny 54 taona ary tokony ho in-droa isan-taona no anaovana izany rehefa feno 55 taona no ho miakatra.

Mihatanora ny olona voa

Mandritra ity volana ôktôbra ity, izay antsoina hoe : « Octobre Rose », dia mikarakara fitiliana maimaim-poana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon-tranon-jaza ny Fondation Akbaraly. Manohana azy amin’izany ny tahirin’ny firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA). Ankoatra ny fitiliana dia misy ihany koa ny tolotra ara-pahasalamana omena ireo mila izany, momba ny fomba fandrindram-piterahana. Araka ny nambaran’i Francesco Cimino, tale mpanatanteraka eo anivon’ny Fondation Akbaraly dia ambony ny tahan’ireo vehivavy fantatra fa tratran’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon-tranon-jaza eto amintsika, satria dia mitaha any amin’ny 14% izany ary manodidina ny 25 taona ny ankamaroany. Mihatanora hatrany ny olona tratran’ny homamiadana amin’ny ankapobeny, hoy rtoa Josiane Yaguibou, solontena maharitry ny UNFPA eto amintsika, ary eran-tany mihitsy io fa tsy eto Madagasikara ihany. Tena ilaina, noho izany, ny fanaovana fitiliana mba hahafahana mandray an-tanana haingana.

Efa nisy andrana natao

Ny fitiliana no fomba mahomby indrindra ahafahana misoroka ny homamiadana sy ahafahana mamonjy ain’olona maro, hoy kosa Francesco Cimino. Isan’ny azo entina misoroka izany ny fanaovana vaksiny ireo zatovo lahy sy vavy mbola tsy miroso amin’ny firaisana ara-nofo, eo anelanelan’ny 11 hatramin’ny 14 taona. Firenena maro any am-pitandranomasina no efa manao izany, fa mbola tsy misy kosa eto amintsika. Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no hany afaka manome alalana ny fampidirana vaksiny vaovao eto Madagasikara, ka andrasana ny fankatoavan’izy ireo izany. Araka ny fantatra dia efa nisy ihany ny andrana natao teto amintsika, saingy tsy nitohy izany. Nilaza ny efa vonona amin’ny fanaovam-baksiny ny Fondation Akbaraly raha tonga eto Madagasikara izany, satria manana ireo mpiasan’ny fahasalamana afaka manatanteraka izany.

Lire la suite

Articles Similaires