• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Lalatiana Rakotondrazafy
Image
Vaovao

Fametraham-pialana : « Nadio ny fitantanako », hoy i Lalatiana Rakotondrazafy

09/10/2023 16:24 © Moov.Mg

Araka ny efa nambarany tao anatin’ny fandaharana tsy ho tompontrano mihono, tamin’ny zoma lasa teo, dia androany alatsinainy 9 oktobra 2023 no nametrahan-dramatoa Lalatiana Rakotondrazafy ny fametraham-pialany tsy ho minisitry ny serasera sy ny kolontsaina intsony. Nanao veloma ireo mpiara-miasa taminy, nandritra izay dimy taona latsaka kely izay izy androany, ary niresaka ny momba ny zava-bitany.

5 taona latsaka kely

4 taona sy 8 volana ary 17 andro no nitazoman-dramatoa Rakotondrazafy Lalatiana ny toerana naha minisitry ny serasera sy ny kolontsaina azy. Vao nijoro mihitsy ny governemanta Ntsay Christian, tamin’ny volana janoary 2019, dia efa tao izy ary mbola tsy niala teo amin’io andraikitra notazoniny io mihitsy. Nanapa-kevitra ny hametra-pialana anefa izy, noho izy manohana an’i Andry Rajoelina amin’izao fifidianana izao, ary milaza ny hampandany an’ity filoham-pirenena teo aloha ity ny antoko Freedom tarihiny. Tsy mifanaraka amin’ny andraikitra maha-minisitra sady maha-mpikambana azy ao anatin’ny governemanta ifandrimbonana anefa ny fanohanana kandida, antony nandraisany izao fanapahan-kevitra izao.

Nampivoatra ny serasera sy ny kolontsaina

Nandritra ny fanaovam-beloma, niarahan’i Lalatiana Rakotondrazafy tamin’ireo mpiara-miasa aminy androany maraina, no nilazany fa tsy nitsanga-menatra tamin’ireo zava-bitany izy. Na kely aza ny tetibola natokana ho an’ity ministera roa natambatra ho iray ity dia afaka nampivoatra ny tontolon’ny serasera sy ny kolontsaina izy, nandritra ny fotoana niasany. Nambarany ihany koa fa madio sy mangarahara ny fitantanany, ka tsy nisy ny havana na namana nampidirina an-tery ho mpiasam-panjakana. Nangarahara ihany koa ny fitantanam-bola. Anisan’ny an­to­ko politika voalohany niantso an’i Andry Rajoelina, mba hiverina hirotsaka hofidina indray moa i Lalatiana Rakotondrazafy sy ny antoko Freedom tarihiny. Nambarany tamin’izany fa ny faharesen-dahatra no mbola mahatonga azy ho vonona ny hanohana ity filoham-pirenena teo aloha ity.

Lire la suite

Articles Similaires