• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama
Image
Vaovao

Jirama : Hanafaingana ny asa fanoloana kaontera simba sy fampidirana jiro

09/10/2023 15:16 © Moov.Mg

Maro ireo tanjona mila tratrarin’ny orinasa Jirama mandritra ity volana Oktobra ity. Tafiditra ao anatin’izany ireo asa fanoloana ireo kaontera simba, fa indrindra indrindra ny fampidirina herinaratra eny anivon’ireo tokatrano mpisitraka izany.

Asa maro no miandry

Asa maro no miandry ny Jirama mandritra ity volana oktobra ity raha ny toromarika niainga avy amin’ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’afo no jerena. Nanambara tokoa ny ministera fa tsy maintsy vitaina amin’ity volana oktobra ity avoko ireo fangatahan’ny mpanjifa. Raha ny marimarina kokoa dia ireo fangatahana miompana amin’ny fampidirana herinaratra izay mbola tsy vita izany sy amin’ny fanoloana ireo kaontera manana olana ara-teknika izay fantatra amin’ny teny baiko hoe compteur IBANOR.
Mandray an-tànana ireo fangatahana fampidirina jiro manerana ny Nosy izay miisa 17 200 eo ho eo ireo teknisiana ankehitriny ka ireo tsy lavitry ny andrin-jiro no atao laharam-pahamehana. Ny fangatahana izay ilaina fametahana andrin-jiro miisa 2800 sy mila fanalavana tambazotra kosa dia vitaina tsikelikely. Eo ihany koa ny fanoloana ireo Kaontera IBANOR miisa 7 000.

Fandaminana ny tetiandro

Ao anatin’ny fananterahana izany asa izany dia hisy ny famoahana ny listr’ireo mpanjifa, izay ny masoivohon’ny Jirama manerana ny Nosy no hamoaka azy. Efa eo an-dàlam-pamoahana izany izy ireo ankehitriny araka ny vaovao voaray. Aorian’ny fahavitan’ny listry ny mpanjifa dia hiantso ireo mpisitraka ny Centre Relation Client an’ny Jirama. Amin’izany no hampahafantaran’ny Jirama ny mpisitraka, ny fotoana hahatongavan’ny tenkisiana any an-tokatranony hametaka na hanolo kaontera ho an’ny eto Antananarivo. Eny anivon’ireo masoivoho an’ny Jirama kosa no ahitana ny tetiandro hanatontosana ny asa ho an’ny faritra hafa.

Lire la suite

Articles Similaires