• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fifanarahan’i Maputo : miandry fankatoavana ara-dalàna, mba hisitrahan’ny vehivay ny zony

09/10/2023 14:48 © Moov.Mg

Maro tsy voatanisa ireo karazana zo mbola tsy sitrahin’ny vehivavy eto MAdagasikara, raha tsy hitanisa afa-tsy ny zo ho an’ny fandovana, ny zo ho amin’ny famongorana ireo herisetra mifototra mahalahy sy ny mahavavy, ny zo ara-pananahana… Nanasonia ny fifanarahan’i Maputo (protocole de Maputo) anefa i Madagasikara tamin’ny taona 2004, izay fifanarahana manana tanjona ny hisitrahan’ny vehivavy ireo zon’olombelona rehetra, mametraka azy amin’ny hasiny.

Andininy 32 isa

Fifanarahana iraisam-pirenena ho an'ireo mpikambana ao anatin’ny Fivondrona Afrikanina ny "Protocole de Maputo", izay lany teo anivon’ity vondrona ity tamin’ny 11 jolay 2003. Ireo firenena rehetra nanasonia azy io dia samy tokony hampanjaka ireo karazana zon’ny vehivavy voafaritra ao anatiny, izay misy andininy 32 isa. Ny 28 febroary 2004 i Madagasikara no nanasonia azy io, saingy mbola tsy niroso tamin'ny fankatoavana azy ho ara-dalàna (ratification), 20 taona aty aoriana. Isan’ny sakana lehibe tsy ahafahan’ny vehivavy malagasy misitraka ny zony anefa ny tsy fametrahana ny fifanarahan’i Maputo ho ara-dalàna.

Mampivondrona karazana lalàna maro

Tsy mitsahatra ny manao adisisika, ny amin’ny tokony hirosoan’i Madagasikara amin’ny fankatoavana ara-dalàna ny Fifanarahan’i Maputo ny Coalition Forum Génération Égalité (FGE). Noho ity fifanarahana ity mampivondrona ireo karazana lalàna rehetra miaro ny vehivavy sy manasazy ny karazana herisetra mahazo ny vehivavy mantsy, dia fitaovana isan’ny tsara izy, entina mampisitraka ny vehivavy sy ny ankizivavy ny zony. Noho ny zava-misy ankehitriny anefa, hoy Ratsimbazafy Miora, avy ao amin’ny Communituy for Change, mivondrona ao amin’ny FGE, dia mbola maro ny zon'ny vehivavy no tsy voahaja. Ohatra amin’izany : betsaka ny tovovavy no voatery miala an-daharana an-tsekoly, noho ny vohoka aloha loatra, satria tsy afaka nisitraka fomba fandrindram-piterahana, maro ny vehivavy no mbola iaharan’ny herisetra.

Ny vehivavy no maro an’isa

Isan’ny mbola sakana amin’ny tsy fisitrahan’ny vehivavy ny zony ny kolontsaina, hoy Randrianasolo Nialofana, avy amin’ny IYAFP (International Youth Alliance For Family Planning ). Ny vehivavy anefa no manome aina ary afaka mandray anjara feno amin'ny fampandrosoana, miainga ao an-trano ary mipaka hatrany amin'ny firenena. Raha ankatoavin’i Madagasikara ary ampiharina toy ny lalàna ny Fifanarahan’i Maputo, dia hisy kokoa ny fifandajan’ny lahy sy ny vavy, hihena be ireo anton-javatra rehetra mitarika fanitsakitsahana ny zon’ny vehivavy. Ny vehivavy no maro an’isa eto Madagasikara, hoy ny coalition FGE ary ny ady atao hisitrahan’ny vehivavy ny zony dia ahazoan’ny lehilahy tombontsoa ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires