• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Communauté_Saint-Martin
Image
Vaovao

Fiatrehana ny fifidianana : Miantso ny hanajana ny fahaleovan-tenany ny Sendikan’ny Mpitsara

09/10/2023 09:48 © Moov.Mg

Mihamafana hatrany ny toe-draharaham-pirenena amin’izao andro mialohan’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra izao. Mirarakompana ireo fanambarana isan-karazany manohana na manohitra ny tolona ataon’ireo kandidà 11, manohana na manohitra ihany koa ny filoha teo aloha, Andry Rajoelina. Ny saika itovian’izy ireny dia ny fiantsoana ho amin’ny fitoniana sy ny hahatontosana fifidianana milamina, mangarahara ary eken’ny rehetra. Anjaran’ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) indray androany maraina no namoaka fanambarana.

Tsy tokony hisy tsindry

Amin’ny maha-olon’ny lalàna azy ireo dia ny antso amin’ny tokony hanajana ny lalàna velona eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara no ifotoran’ity fanambarana ity. Tafiditra ao anatin’izany ny tokony hisitrahan'ny olom-pirenena isam-batan'olona ireo zo fototra rehetra voalazan'ny Lalàm-panorenana. Ankoatra izay dia notsipihin’ity fanambaran’ny SMM ity ihany koa ny tokony hanajana hatrany ny fahaleovan-tenan’ny Fitsarana, ka mba tsy hanaovana ny rafi-pitsarana ho fitaovana entina hanaovana ramatahora ary ny tsy hisian'ny tsindry, na avy aiza na avy aiza, hatao amin'ireo mpitsara miandraikitra ny asany andavanandro.

Vahaolana ara-politika

Efa maneho ny ahiahiny sahady ny SMM, ny amin’ny mety ho fiafaran’izao korontana mialohan’ny fifidianana izao, izay heverin’izy ireo fa mety ho tonga hatreny amin’ny Fitsarana. Tao anatin’ity fanambarana ity, izay nosoniavin’ny filohan’ny SMM, Mbintanarivo Andriantsihorisoa, dia nisy ny fanentanana ireo mpitsara manerana ny Nosy, mba hijery araka ny lalàna velona ary tsy hijery afa-tsy ny lalàna, ka tsy hanaiky tsindry na avy aiza na avy aiza. Ny olana ara-politika, hoy ny SMM dia tokony alamina sy vahana ara-politika.

Dinika itadiavam-bahaolana

Hanomboka rahampitso talata 10 oktobra ny fampielezan-kevitra, ho an’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena 2023 eto Madagasikara, araka ny tetiandrom-pifidianana voafaritra. Hotakotaka sy korontana anefa hatreto no misy, raha fitoniana no tokony ho entin’ireo kandida sy ny olom-pirenena miatrika ny zotram-pifidianana rehetra. Nijoro ho mpanelanelana hahitana vahaolana ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (F.F.K.M). Mbola nampiantso ireo kandida na ny solon-tenany ireto Raiamandrenim-piangonana ireto, mba hifampidinika androany, mialohan’ny hanombohan’ny fampielezan-kevitra rahampitso.

Lire la suite

Articles Similaires