• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 2 hatramin'ny 8 oktobra

09/10/2023 08:14 © Moov.Mg

Raharaha politika mafana no tena nanamarika ny herinandro lasa iny. Tsy vitsy ireo olon-tsotra sy orinasa voatery nanakatom-baravarana tao anatin'ny ora vitsy na maromaro. Tsy adino ihany koa nefa ireo vaovao sosialy, ekonomika sy ara-panatanjahan-tena.

CENI : Fampitoviana lenta ireo kandida

Natolotry ny CENI ireo kandida tsirairay ny "Disque dur" izay mirakitra ny dika mitovy elektronikan'ny Lisi-pifidianana nasionaly. Hita ao ihany koa ny lisitry ny biraom-pifidianana miisa 27 375 manerana ny Nosy. Azon'ireo kandida tsara ny manao fanamarinana sady manomana ireo "délégués" amin'ny biraom-pifidianana rehetra amin'ny fotoanan'ny fanisam-bato. Solontenan'ny kandida 2 ihany moa no nanotrona ny lanonana fanolorana ireo "Disque dur" teny amin'ny foiben'ny CENI Alarobia.

Andry Rajoelina : Miantso fitoniana

Nanatanteraka kabary indray ny kandida sady filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina, ny alahady 8 oktobra. Miantso fitoninana eto amin'ny firenena ny tenany, mba hahafahana manatanteraka fifidianana eto amin'ny firenena. Nomarihany fa ny fifidianana irery ihany no azo itsarana izay tena tian'ny vahoaka hitantana ny firenena. Omaly alahady ihany, ny tapany maraina, nanatanteraka fotoam-pivavahana manokana i Andry Rajoelina sy ny vadiny.

Collectif des candidats : Hanohy ny hetsika politika

Tsy mampihemotra ireo kandida mivondrona ny fifanandrinana tamin'ny mpitandro ny filaminana ny sabotsy 7 oktobra lasa teo. Herinandro izay no nisian'ny hetsika an-dalambe, nefa nanambara izy ireo fa mbola hitohy izany. Ho an'ny androany, alatsinainy 9 oktobra, eny Itaosy no anatanterahan'izy ireo ny diabe. Tsy fantatra kosa izay fandaminana manokana manomboka rahampitso, fanombohan'ny fampielezan-kevitra.

FFKM : Manohy ny fampihavanana

Mitohy hatrany ny fampivoriana ataon'ny FFKM mba hitadiavana vahaolana maharitra, manoloana ny raharaha politika mafana eto amin'ny firenena. Mbola miala nenina ireo filoham-piangonana na dia samy miziriziry amin'ny heviny aza ny andaniny sy ny ankilany. Matetika dia ireo kandida mivondrona no mamaly ny antso.
Noho ny fifanarahana, nijanona ny hetsiky ny Collectifs des candidats ny Alarobia lasa teo. Nitohy kosa nefa ny fitakiana ny alakamisy, ny zoma ary ny sabotsy. Noho ny ratra nahazo ny mpitarika iray, tsy tanteraka aloha ny fihaonana ny sabotsy lasa teo. Androany alatsinainy 9 oktobra kosa dia tokony hisy indray ny fivoriana.

Rado : 100 taona

Marihana amin'ity taona 2023 ity ny faha-100 taonan'i Georges Andriamanantena na RADO, mpanoratra. Namoaka boky mitondra ny lohateny hoe "Hiram-bavaka" ny zanany, Andry Solofo Andriamanantena, mba ho fanamarihana izany tsingerin-taona izany. Io boky io moa dia mirakitra ireo asa soratra rehetra izay miendrika vavaka, ka anisan'izany ireo hira hita amin'ny Fihirana FFPM sy Fihirana Fanampiny (FJKM). Nisy moa ny lanonana izay notanterahin'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina teny amin'ny tranombokim-pirenena Anosy.

Karohan’ny zandary ireo mpandendaka anaty fiara fitateram-bahoaka

Nanaitra ny sain’ny maro ny trangana fanendahana sy fidarohana olona iray tao anatin’ny fiara fitateram-bahoaka ny herin’andro lasa teo. Ramatoa iray ihany koa no voaharo paosy. Vono sy daroka kosa no nahazo ity tovolahy nitantara ny zava-nisy tamin’ny tambazotran-tserasera. Efa tsy zoviana amin’ny maro izay mpandeha amin’ireo zotra mandalo an’iny Ampasapito, Avaradoha, Besarety iny intsony ity mpangaro-paosy ity araka ny fijoroana vavolombelona hita tamin’ny tambazotran-tserasera. Raha tsiahivina tokoa dia azo sary ity mpangaro-paosy ity ary efa miparitaka amin’ny Facebook ny sariny. Manoloana ity tranga ity dia manambara ireo mpitandro ny filaminana fa tadiavina ary atao haza-lambo ity mpangaropaosy hita amin’ny sary. Manomboka manamafy ny hetsika hiadiana amin’ny trangana tsy fandriam-pahalemana ny eo anivon’ny zandarimaria sy ny polisim-pirenena ankehitriny.

Fiovan'ny toetr'andro : Miakatra ny mari-pana

Mahavaky loha sola ny hafanana tamin'ny herinandro lasa. Mety mbola hiakatra nefa ny mari-pana, mandra-pilatsaky ny orana. Vokatry ny fiovan'ny toetr'andro sy ny fahasimban'ny tontolo iainana moa izany. Raha ny eto Madagasikara manokana, efa manampy rano amin'ireo dobo voajanahary ireo mpiompy trondro. Tsy vitsy ihany koa ireo milahatra rano andro aman'alina, indrindra ny eto an-drenivohitra.
Araka ny nambaran'ny sampana mpamantatra ny toetr'andro dia ny tapak'ity volana oktobra ity no tokony ho avy ny orana.

Misokatra ny guichet agricole ao Ankadinondry Sakay

Ny alatsinainy 02 Oktobra lasa teo no nisokatra ny guichet agricole ao Ankadinondry Sakay. Ivon-toerana iray natokana ho an’ireo tantsaha mpamboly sy mpiompy izy ity. Manampy an’ireto farany amin’ny fampiroboroboana ny seha-pihariana fambolena sy fiompiana ny guichet agricole araka izany.
Toro-hevitra maro isan-karazany no afaka isitrahan’ireo tantsaha amin’ny fanatonana io ivon-toerana io. Hita ao an-toerana tokoa mantsy ny filan-kevitra momba ny fananan-tany sy ny filan-kevitry ny sampandraharaham-panjakana. Tsy adino ireo filan-kevitra manohana ara-bola ny mpamokatra toa ny FDA sy ny FDE ary ireo rafitra ara-bola isan-karazany. Raha fintinina dia misahana ny atao hoe toro-hay ity ivon-toerana ity.

Fizaham-pahasalamana ho an’ny sahirana

Ny alatsinainy 02 oktobra ka hatramin’ny alarobia 4 oktobra teo no nanatanteran’ny Bataillon Médical Ampahibe ny hetsika fizaham-pahasalamana mamaim-poana tetsy amin’ny EKAR Anatihazo Isotry. Hetsika izay nitodika manokana tamin’ireo olona sahirana na marefo ara-pivelomana izy ity. Zo fototra ananan’ny olona tsirairay tokoa ny fahasalamana, ka izany indrindra no anto-pisian’izao hetsika izao.
Nandritra io telo andro io ary dia mamaim-poana avokoa na ny fizahana ara-pahasalamana na ny fanafody. Fizahana maro isan-karazany no natao tamin’izany. Tao ohatra ny ny cardiologie, ny pneumologie, ny gastro-enterologie, ny neurologie, ny endocrinologie-diabètologie, ny pédiatrie, ny chirurgie générale, ny ORL, ny médecine générale ary ny dentisterie (misy ny fizarana borosy nify sy « dentifrice » mamaim-poana ho an’ireo mijery ativava) ary ny ireo karazana « examens complémentaires » toy ny Echocardiographie-doppler, Exploration fonctionnelle respiratoire ary ny test glycémie.

Loza ho an’ny fahasalamana ny fampiasana nuvan ao an-trano

Voasokajy ho loza ho an’ny fahasalamana ny fampiasana nuvan ao an-trano, araka ny fampahafantarana nataon’ny sampandraharaha misahana ny fampiroboroboana ny fahasalamana eo anivon’ny ministera. Fanafody natao hamonoana bibikely amin’ny resaka fambolena izy ity, izany hoe eny amin’ny toerana an-kalamanjana. Mety hiteraka areti-mandoza ho an’ny fahasalamana anefa ny fampiasana izany raha ao an-tokatrano. Mijanona mandritra amin’ny entana ao an-trano, amin’ny lamba sy ny rindrina ary ny tany tokoa mantsy ity fanafody ity ary mety ho tadifitra any amin’ny làlan-drivotra amin’ny fihevohana sy ny fikasihana tsy nahy azy. Manentana ny tsirairay mba hanatsahatra ny fampiasana azy izy ny ministera ho fiarovana ny fahasalamana sy ny ain’ny rehetra.

Zandary Gasy fa tsy vazaha : Nampidirina am-ponja vonjimaika ireo mpanao gazety

Niteraka resabe nandritra iny herinandro iny ny sarina zandary maromaro manana endrika vazaha sy afrikana nanao ny asa fitandrona filaminana nandritra ny fitokona teny Ambohidahy teny ny herinandro teo iny. Nitsipaka izany filazana diso niparitaka izany anefa ny avy eo komandin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Analamanga nandritra ny resaka nataon’ny tamin’ny mpanao gazety. « Malagasy ray malagasy reny aho. Teto aho no nianatra ary tsy mbola nivoaka tany ivelany. Avy eto Tàna ihany aho. » hoy ny iray tamin’izy ireo nanamafy.
Tsy nijanona teo anefa ny raharaha fa niroso tamin’ny fisamborana ireo mpanao gazety nanely ny vaovao tsy marina ny zandary. Raharaha fisandohana andraikitra, fisolokiana ho Mpanao Gazety, fanaovana sy fampiasana taratasy sandoka , fanaparitahana hafatra sy vaovao tsy marina, fiantsiana fikorontanam-bahoaka, fiantsiana fanoherana faobe ny didy aman-dalàna, fanaparitahana hafatra miendrika herisetra ara-tsaina sy fanavakavaham-bolokoditra ary fankahalana vahiny tao anaty tambazotra Facebook, ireo no heloka hanenjehana azy ireo. Naiditra vonjimaika eny Antanimora ireto mpanao gazety roa ireto taorian’ny fanolorana azy manoloana ny fampanoavana.

Basket # Road To Bal : Ho any Afrique du Sud ny COSPN

Nibata fandresena ny COSPN, tamin'ireo lalao nifanandrinany tamin'i Comores sy Seychelles, tao amin'ny lapan'ny Kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena. Noho izany indrindra no nahazoan'i Madagasikara tapakila ho an'ny Afrika Atsimo, amin'ny lalao "Elite 16", ny 14 novambra ho avy izao.

Lire la suite

Articles Similaires