• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Teknikam-pambolena "permaculture" : fahavitan-tena ara-tsakafo no tanjona

06/10/2023 16:31 © Moov.Mg

Mihasimba ny nofon-tany amin'ny faritra maro eto Madagasikara, ka tsy mahavokatra tahaka ny taloha intsony. Etsy an-daniny, tsy ampy ny rotsak'orana, satria mihangazana hatrany ny tany ka mila arenina ny tontolo mba ho maitso indray. Isan'ny vahaolana amin'izany ny "permaculture", na ny fambolena maharitra.

Filôzôfia sy fahaiza-miaina

Tsy teknikam-pambolena fotsiny ny "permaculture", fa filôzôfia sy fahaiza-miaina mihitsy, hoy Rakotozafy Nantenaina Jean-Marc
teknisianina ao amin'ny Site Permacole Andrin'ny Aina, izay miompana amin'ny fambolena maharitra sy ny fambolena ara-biôlôjika. Karakaraina sy omena lanja avokoa, ao anatin'izany, na ny olombelona, na ny tany. Tanjona ny hananana fambolena maharitra, nefa sady mitsitsy ny angovon'ny tany no mitsinjo ihany koa ny angovon'ny olombelona. Raha tsotsorina dia velaran-tany mamokatra mandritra ny fotoana ela no tadiavina, ary tsy tokony handany fotoana ela be sy handany hery be ny mpamboly, nefa mahavokatra tsara.

Famerenana ny natiora amin'ny laoniny

Fomba fambolena manaja ny tontolo manodidina rehetra ny "permaculture". Tafiditra ao anatin'izany, ohatra, ny tsy fanariana fako eny rehetra eny, satria ny fako dia azo ahodina sy omena lanja indray. Ny taratasy, ohatra, dia azo anamboarana arina fandrehitra manaja ny tontolo iainana (charbon écologique), ny hoditra sakafo dia azo avadika ho sakafom-biby, na atao zezika "composte", hoy Rakotozafy Nantenaina Jean-Marc. Filôzôfia iray lehibe voizina ao anatin'ny fomba fambolena maharitra, araka izany, ny famerenana ny natiora amin'ny laoniny nefa sady afaka miaina an-kalalahana ihany ny tsirairay.

Mbola tafiditra ao anatin'izany ihany koa ilay antsoina hoe : fambolena an-tanan-dehibe (agriculture urbaine), na ihany koa ny fambolena mijidina (culture verticale). Na an-tanàn-dehibe aza mantsy dia afaka manamaitso ny tontolo. Tsy voatery hanana velaran-tany lehibe rahateo, hoy ny teknisianina, fa raha manana tany mirefy 2m2, ohatra, dia toy mamboly amin'ny tany mirefy avo avo 2 na 3 heny amin'izany, raha mampiasa ny teknikam-pambolena mijidina. Azo ambolena avokoa, na dia ao anaty gony aza. Ankoatra izay dia nanamarika Rakotozafy Jean-Marc, fa tsy voatery hila vola be rehefa manomboka ny "permaculture". Raha hanao io fambolena anaty gony io izao, dia tany, fasika, zezika, vatokely ary masomboly no ilaina, dia izay. Tsy voatery hampiasa singa simika vao mamokatra, fa tsara kokoa aza ny akora biôlôjika, izay tsy manova ny firafitra voajanaharin'ilay voly, hoy hatrany izy.

Tsy voatery hividy foana

Efa mihamaro ny olona liana amin'ny fambolena maharitra, raha ny nambaran-dRakotozafy Jean-Marc. Ny Site Permacole Andrin'ny Aina dia manofana momba ny "permaculture". Ny 8 hatramin'ny 11 novambra izao no hanatanterahana ny andiany manaraka ary efatra andro ny faharetany. Horesahina mandritra ny fiofanana ny momba ny "permaculture" amin'ny ankapobeny, ny anjara asan'ny biby ao anatin'ny "permaculture" sy ny lohahevitra maro hafa. Ho arahina fampiharana avy hatrany moa ny fanofanana. Ny tanjona, hoy ny teknisianina, dia ny hahafahan'ny tsirairay mahavita tena ara-tsakafo, mba ho afaka mamokatra ny sakafo haniny ao an-tokantrano ihany ny rehetra, fa tsy voatery hividy foana.

Lire la suite

Articles Similaires