• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Mascar Andravoahangy : Mpanendaka gadralava niaraka tamin’ny antsy lavalela voasambotra

06/10/2023 11:56 © Midi Madagasikara

Faritra efa hiaraha-mahalala fa mafana tanteraka amin’ny resaka tsy fandriampahalemana sy fanendahana raha iny manodidina an’i Mascar sy Rotsirotsy, etsy Andravoahangy iny.

Antony iray mahatonga ny eo anivon’ny pôlisin’ny boriborintany fahatelo manao fisafoana tsy tapaka na andro na alina. Omaly, tokony ho tamin’ny 12 ora alina teo tokoa ary no nifanena tamin’ny lehilahy hafahafa fihetsika, mandeha irery teny an-toerana ireo mpanao fisafoana. « Vao nahita ny pôlisy ity farany tonga dia nandositra, nohenjehina izy ary tratra teo amin’ny elakelan’trano tsy lavitra ny faritra Rotsirotsy. Nosavaina ity farany ary nahitana antsy lava iray teny aminy » hoy ny fampitam-baovaon’ny pôlisy. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia nafatratra tao amin’ny fiaran’ny pôlisy ity farany, ho eny amin’ny biraon’ny kaomisaria teny Antaninandro. Tamin’ny fakàna am-bavany azy, hoy hatrany ny vaovao no nibaboany fa tena « miandry haza » ny lehilahy.

« Saika hanendaka izy ary fantatra nandritra izany ihany koa fa efa mahazatra azy izao asa ratsy ataony izao ». Marihana, hoy hatrany ny vaovao fa vao efa gadralava ranamana, satria efa indroa niditra teny amin’ny fonjan’Antanimora, noho izay resaka fanendahana mitam-piadiana izay hatrany. Omaly ihany moa no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ny lehilahy ary naverina fanintelony indray teny amin’ny toerana nahazatra azy ihany.

Lire la suite

Articles Similaires