• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

CENHOSOA Soavinandriana : Zana-kazo 80 no novolena androany

05/10/2023 16:44 © Moov.Mg

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny ady amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetrandro ny fambolena zana-kazo amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Hafa kely kosa anefa ity hetsika notanterahana androany ity satria tao amin’ny hopitaly CENHOSOA Soavinandriana no nambolena zana-kazo.

Zana-kazo 80 isa

Niroso tamin’ny fambolena zana-kazo miis 80 tao amin’ny hopitaly CENHOSOA Soavinandriana ireo miaramila sy sivily mpiasa eo anivon’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena androany. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fikojakojana ataon’ny ministera eny anivon’ny hopitaly izao. Mila koloina sy kojaina tokoa mantsy ny tontolo manodidina, ivelany sy anatin’ny hopitaly mba hahafan’ireo marary sy mpiandry marary misitraka toerana madio sy milamina fa ihany koa manaja ny tontolo iainana.
Nitarika ny hetsika androany ary ny Ofisy Nasionalin’ny Mpiady Tranainy (ONMAC). Nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika ihany koa ireo tompon’andraikitra isan-karazany eo anivon’ny ministera.

Fiarovana ny tontolo iainana

Araka ny efa natsidika teo ambony dia mifandraika tanteraka amin’ny hetsika fiarovana ny tontolo iainana izao fambolena hazo natao tao amin’ny hopitaly CENHOSOA Soavinandriana izao. Fomba iray afaka manampy amin’ny ady amin’ny falotoan’ny rivotra eto an-drenivohitra ihany koa ny fisian’ny tontolo maitso toa izao. Fomba fiady tsara apetraka araka izay azo atao ny fampitomboana isa ireo tontolo maitso eto Antananarivo. Avo 2,8 heny amin’ny tondrozotra isan-taona napetraky ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana na OMS ankehitriny ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo. Mahazo vahana mora foana anefa ireo aretina mpahazo ny taovam-pisefoana rehefa maloto toa izao ny rivotra.

Lire la suite

Articles Similaires