• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Mpanendaka anaty bus : Miantso fiaraha-miasa amin’izay manana vaovao ny zandary

05/10/2023 16:42 © Moov.Mg

Karohana ankehitriny ilay lehilahy fantatra fa saika hanendaka sy namono olona tao anaty fitateram-bahoaka omaly. Efa niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera ny sariny ary efa manomboka mikaroka azy ny mpitandro ny filaminana.

Azo sary ary karohana

Efa fataon’ity lehilahy ity ny fanendahana anaty fiara fitateram-bahoaka toa izao, raha mijery ireo fijoroana vavolombelona ataon’ny olona eny amin’ny tambazotran-tserasera Facebook. Taorian’ny nitantaran’ny tovolahy iray ny nanjoa azy omaly dia nanomboka nijoro vavolombelona ihany koa ireo efa sendra ity olon-dratsy ity.
Azo sary anefa izy tamin’ity indray mitoraka ity, ka izao miparitaka amin’ny tambazotran-tserasera izao ny endriny. Raha iverenana ny zava-nisy iray tanaty fiara fitateram-bahoaka 161 ity mpanendaka ity omaly atoandro. Nizara ny nahazo azy ity tovolahy ity mba hahafan’ny rehetra mitandrina amin’ny sisa, ary ankehitriny dia efa miditra an-tsehatra ny zandary sy ny mpitandro ny filaminana amin’ny fikarohana azy io.
Nanomboka nizara ny sarin’ity mpanendaka ity tamin’ny tambazotran-tserasera ihany koa nanomboka androany ny CIRGN Antananarivo sy ny InfoCom Seg. Miantso ireo olona izay mety manana « informations » mahakasika ity mpanharo-paosy sy mpanao ratra sy vono iniana atao ity izy ireo mba hifandray amin’ny mpitandro ny filaminana.

Mangalatra amin’ny andro atoandro

Tsy vao izao no nanaovan’ity lehilahy ity ny asa ratsiny. Efa matetika hitan’ny olona any anaty fiara-fitanteram-bahoaka i ranamana ary tsy menatra ny manendaka amin’ny andro atoandrobe nanahary. Mody miakatra ao anaty fiara fitateram-bahoaka toa ny olona rehetra izy. Rehefa izay dia manomboka mijerijery sy mitily ny zavatra sarobidy eny amin’ireo mpandeha ity mpanendaka ity. Iny ilay olona andeha hivoaka iny amin’izany no mody elingeleniny ary alainy moramora ny vola na ny finday ao anatin’ny kitapo na poketran’ireo tratrany.
« Nony hiala teo besarety amzay aho dia nitsangana koa izy dia mody takomany ilay kitapo mainty ny tanany. Izy hangarona ny kitapoko iny no tratrako dia notazomiko ny tanany dia za ndray nasiny totondry Andeha hamaly azy aho no sady noteneniko hoe ianao sady efa mangalatra ndray ve no […] tonga dia daroka alika nahazo », hoy ilay tovolahy voavono omaly tokony tamin’ny 02 ora tolakandro teo, nitaraina.
Etsy an-daniny dia miantso ireo mpamily sy mpamily mpanampy izay mahalala ny fisian’ireo mpanendaka atany fiara fitateram-bahoaka ihany koa ny CIRGN Antananarivo mba hiray hina amin’ireo mpandeha. Entanina ihany ko aizy ireo mba hanome famantarana ny polisy sy ny zandary lalovany raha toa ka misy tranga mampiahiahy.
Zava-dehibe tokoa ny fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana toa izao.

Lire la suite

Articles Similaires