• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Zo ara-pananahan'ny vehivavy sy ny tanora : Mbola mila ezaka ny fiarovana azy

05/10/2023 13:57 © Moov.Mg

Niharan'ny herisetra ara-nofo ny 6%-n'ny vehivavy malagasy eo anelanelan'ny 15-49, nandritra ny 12 volana farany, araka ny fanadihadiana MICS 2018. Raha atao ny kajikajy tsotsotra dia vehivavy 350.000 isan-taona no tratran'ny herisetra ara-nofo, izany hoe : 970 isan'andro.

Tsy ilaozan'izay tsy hisy ho tratran'ny vohoka tsy iriana ireo vehivavy ireo, na mety ho tratran'ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo, satria tsy voaaro. Tsy manana zo ny hanala ilay zaza tsy niriany anefa ilay vehivavy, raha sanatria mitoe-jaza noho ny fanolanana nahazo azy, raha ny lalàna velona misy eto amintsika. Taratr'ireo olana maro iainan'ny vehivavy momba ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana ireo, izay ilana vahaolana maika.

Andraikitry ny mpanao gazety

Ady marolafy iraisan'ny herivelona rehetra ny fampisitrahana ny vehivavy ny zony ara-pananahana. Tafiditra ao anatin'ireo manana andraikitra lejibe, amin'ny fampahafantarana ny zava-misy eny anivon'ny fiarahamonina ny mpanao gazety, amin'ny maha-mpampahalala vaovao azy. Mpanao gazety am-polony mikambana ao anatin'ny Réseau des Médias Africains pour la Promotion de la Santé et de l'Environnement (REMAPSEN), no nahazo fiofanana avy amin'ny Coalition Génération Égalité (FGE). Tanjona amin'izany ny hananan'izy ireo fahalalana bebe kokoa, mba hahafahan'izy ireo mampanakarena ny fanadihadiana avoakany, sy itondran'izy ireo adisisika miantefa amin'ireo mpanapa-kevitra, ho fanatsarana ny tontolon'ny vehivavy sy ny zony.

Fanabeazana ara-pananahana feno

Voaresaka nandritra ny fiofanana ny zo sy fanabeazana ara-pananahana, izay mbola fady any amin'ny fiarahamonina malagasy. Tahaka izany koa ny fandrindrana fiterahana. Nisy, ankoatra izay, ny fampahafantarana ireo karazana andinin-dalàna misy eto Madagasikara sy ny fifanarahana iraisam-pirenena, toy ny "Protocole de Maputo", izay mifandraika amin'ny zon'ny vehivavy sy ny fahasalamana ara-pananahana. Tanjona telo lehibe moa no tena tian'ny FGE hotratrarina ao anatin'ny adisisika ataony. Voalohany ny hanamorana ny fahazoan'ny zatovo sy ny tanora misitraka fomba fandrindram-piterahana ; faharoa ny mba hisian'ny fanabeazana ara-pananahana feno eny anivon'ny sekoly ary farany, ny mba hanafoanana ny lalàna manameloka ny fanalan-jaza noho ny antony ara-medikaly, na noho ny fanolanana.

Lire la suite

Articles Similaires