• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tsy mihinan-kena : efa misy eto Madagasikara ny hena vita amin'ny soja

05/10/2023 13:49 © Moov.Mg

Mihamitombo isa maneran-tany ny olona manajanona amin'ny ampahany na manontolo ny fihinanana hena, noho ny antony maro samihafa. Eto Madagasikara ihany koa dia nanaraka izany fironana izany. Misy singa ilain'ny vatana, tsy maintsy fenoina amin'ny karazan-tsakafo hafa anefa, rehefa tsy mihinana hena. Isan'ny sakafo mahavita manolo azy ny soja, izay hita betsaka eto amintsika.

Antony ara-pahasalamana na ara-potokevitra

Mihabetsaka eto Madagasikara ireo trano fisakafoana miompana fotsiny amin'ny sakafo tsy misy hena (végétarien), na tsy manao sakafo misy vokatra avy amin'ny biby toy ny ronono sy ny atody mihitsy (végétalien/ végan). Tena be dia be koa ireo manolotra sakafo misy hena, saingy manana sokajin-tsakafo natokana ho an'ireo tsy mihinan-kena. Antony maro no mahatonga ny olona hisafidy ny hanajanona amin'ny ampahany na manontolo ny hena. Voalohany amin'izany ny ara-pahasalamana. Mampihena ny fidiran'ny menaka ratsy ao anatin'ny vatana, ohatra, ny tsy fihinanana hena betsaka, na tsy fihinanana hena mihitsy. Misy olona sasany ihany koa manajanona ny fihinanana hena, noho ny antony ara-potokevitra. Isan'izany, ohatra, ny fanoherana ny fampijaliana ny biby ; eo ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana, satria ny fiompiana dia voalaza fa isan'ny seha-pihariana iray mitarika famoahana entona manimba ny tontolo iainana.

Singa mitovy aminy ny hena

Tsy maintsy soloina amin'ny fihinanana zava-maniry mitondra singa mitovy aminy ny hena, rehefa misafidy ny hanajanona ny fihinanana azy. Ny soja no isan'ny zava-maniry be proteina sy be otrikaina indrindra. I Vonjiniaina Helinirina izao dia nanomboka tamin'ny taona 2021 no nisehatra tamin'ny fanamboarana sakafo vita amin'ny soja. Raha ny fandinihany dia nihanitombo hatrany ny mpanjifa tao anatin'izay 2 taona namoronany ny L'Art de Soja izay. Mety amin'ny olona rehetra amin'ny ankapobeny, ny soja, hoy izy, noho ity sakafo ity be proteina, kalsioma sy singa mahasoa isan-karazany. Noho izy afaka mandrindra ny tsiry mpanentana dia tena mahatsara ny fahasalaman'ny vehivavy mitsaha-pitsaihana mihitsy izy, fa tsy mety ho an'ny olona tratran'ny homamiadan'ny nono kosa, hoy i Vonjiniaina Helinirina. Izy moa dia niofana manokana momba ny fikirakirana ny soja.

Ho an'ny lanonana

Azo anamboarana sakafo isan-karazany ny soja, ankoatra ny fraomazy sy ny dibera izay efa fantampantatry ny maro ihany. Ny L'Art de Soja izao dia manamboatra saosisy sy "steak" vita amin'ny soja sy karazana tsakitsaky toy ny "caca pigeon". Mahaliana ny olona ny manandrana izany karazan-tsakafo izany. Efa misy ihany koa ireo mikarakara lanonana misafidy ny tsy hampiasa hena amin'ny sakafo aroso ho an'ny olona asaina, ka misafidy ny handroso ny soja ho solon'ny hena sy ny tsakitsaky, ampiarahina amin'ny vokatra hafa avy amin'ny zava-maniry, toy ny "brochette de fruit" sy ny "salade de légumes". Ny ronono soja moa dia efa betsaka ny manjifa azy, na ireo olona mihinana hena aza, indrindra ho an'ireo tsy mahazaka ronono avy amin'ny biby. Maharitra tehirizina rahateo ny ronono soja, satria tsy simba ao anatin'ny 15 andro, hoy i Vonjiniaina Helinirina.

Lire la suite

Articles Similaires