• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Infocomseg
Image
Vaovao

Zandary teny Ambohidahy : Gasy avokoa izy ireo

04/10/2023 17:18 © Moov.Mg

Niteraka resabe teo anivon’ny tambazotran-tserasera omaly ny sarina zandary izay maka endrika vahiny. Nitondra fanazavana mahakasika ny zava-misy ny avy eo anivon’ny zandarimaria eto Analamanga.

Gasy ray gasy reny

Nitafa tamin’ny mpanao gazety androany teny Analakely ny Komandin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Analamanga, Lieutenant-Colonel Raoilijon Tojo. Namarininy nandritra izany fa gasy ray gasy reny avokoa ireo zandary voalaza fa tsy tera-tany malagasy. Niparitaka mantsy ny vaovao izay nilaza fa nisy tamin’ireo zandary no avy atsy Mayotte, tao ihany koa ireo zandary voalaza fa avy atsy Afrika.
Nanamafy ary ity tompon’andraikitra fa tena gasy ireo zandary. Nasainy nandray fitenena mihitsy moa ireo zandary voalaza fa vahiny, ary niteny gasy soa amantsara rehefa namaly ny fanotanian’ny mpanao gazety. « Malagasy ray malagasy reny aho. Teto aho no nianatra ary tsy mbola nivoaka tany ivelany. Avy eto Tàna ihany aho. » hoy ny iray tamin’izy ireo nanamarina.

Manameloka ny vaovao tsy marina

Manameloka ny vaovao tsy marina izay nahely ary ny komandin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Analamanga. « Izahay dia manohatra ny fandikana ny lalàna dia ny fampitana ny vaovao tsy marina, izay entina hanakorontanana. […] Disonay eto fa sady tsy vazaha izy ireo no tsy mahorais. Ka noho izany, fandikan-dalàna ny zavatra resahana, fandikan-dalàna ny zavatra misy dia mandray andraikitra ny zandarimaria. Misy ny fepetra izay ho raisina mahakasika izay fandikan-dalàna izay. » hoy ny komandin’ny zandarimaria nanazava.
Ilaina foana araka izany ny firosoana amin’ny atao hoe fanamarinam-baovao sy ny fitrandrahana loharanom-baovao mari-pototra ho an’ny mpanao gazety mialohan’ny hamoahana vaovao.

Lire la suite

Articles Similaires