• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Tontolon’ny fanamaitsoana : Mandray ny atrikasa ny faritra Atsimo Andrefana

04/10/2023 16:42 © Moov.Mg

Tontosaina nanomboka omaly 03 oktobra ka tsy hifarana raha tsy rahampitso 05 oktobra ny hetsika fampahafantarana ny tontolon’ny fanamaitsoana sy ny famantarana ireo asa maitso mahavelona, ao amin’ny faritra Atsimo.

Harena voajanahary

Nosafidiana manokana amin’ny fanatanterahana izao ivon’ny fampahafantarana izao ny faritra Atsimo Andrefana noho izy manana harena voajanahary miavaka. Raha jerena dia manan-karena ankibon’ny tany ary karazan'ala izay mampiavaka azy, iny faritra iny. Zava-dehibe ho an’ny mponina tokoa ny mahafantatra ireo karazana harena misy ao an-toerana mba hahafana mampiasa izany araka ny tokony ho izy.
Azo atao tsara tokoa mantsy ny mampiasa ny harena voajanahary ho fampiroboroboana ny toekarena sy ho fanovana ny fomba fiainan’ny isan-tokatrano manoloana ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro. Ilaina fandinihana sy fomba fiasa maty paika anefa izany mba hialana amin’ny mety ho fanimbana sy tsy fanajana ny tontolo iainana sy ny zava-boahary. Izany indrindra no antom-pisian'izao atrikasa izao, dia ny mba hanamaitsoana ny rafitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa na ny EFTP

Fiaraha-misalahy

Mpisehatra maromaro resy lahatra amin’ny maha zava-dehibe ny firosoana makany amin’ny fampiasana angovo sy hery ekolojika no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana izao tetikasa izao. Ao anatin’izany mpisehatra izany ny UNICEF, ny ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa (METFP) amin’ny DVPC. Miara-mikaon-doha amin’ny famolavolana ny foto-kevitra sy ny fomba hamantarana ny fahaiza-manao takian’ny sehatry ny toekarena maitso ireo mpisehatra, noho izany, mandritra ny telo andro.
Aorian’ny atrikasa dia tokony tafapetraka ny tondrozotra makany amin’ny rafi-pitantanana mifototra amin’ny fanamaitsoana ny tontolo. Tsara tokoa ny manamarika fa mifampiankina tanteraka ny fitrandrahana ny tontolo maitso sy ny fiarovana ary ny fanajana azy. Miteraka asa maitso mahavelona izy ireo ary manampy ny tokatrano amin’ny andavanandrom-piainany araka izany. Zava-dehibe amin’ny fandrosoan’ity tetikasa maitso ity, araka izany ny fisian’ity atrikasa ity.

Lire la suite

Articles Similaires