• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Madagascar Trotter
Image
Vaovao

Koban'i Talatavolonondry : Mbola tena mandeha ny tsena, indrindra rehefa voalohan'ny volana

04/10/2023 11:31 © Moov.Mg

Tsy mbola lefy laza hatramin'izao ny koba sy saosisin'i Talatavolonondry. Tao anatin'ny folo taona aza dia tsy nitsaha-nitombo ny isan'ny olona mampiasa ny koba ho an'ny lanonana isan-karazany, na koa itadiavam-bola amin'ireny "opérations" ireny, mba miala kely amin'ny mahazatra.

Ampy ho an'olona 100 isa

Rehefa sabotsy sy alahady no tena betsaka ny mpanjifa ny saosisy sy ny koban'i Talatavolonondry. Maro ireo olona no mandeha mianavaratra kelin'Antananarivo, handeha hividy an'ireo any am-potony fotsiny no anton-dia. Rehefa voalohandohan'ny volana no tena mandeha ny tsena, hoy Razafindrabe Benja, tompon'ny Koba Lafatra. Manomboka amin'ny 1.000 Ar no mahazo didina koba amin'izao. Mirefy iray metatra moa ilay koba lavalava iny, amin'ny ankapobeny, ka raha ampiasaina amin'ny lanonana dia tokony ho ampy ho an'olona 100 isa ny koba iray, hoy hatrany ny fanazavan-dRazafindrabe Benja hatrany.

Azo tehirizina tsara

Mihamaro tokoa ireo olona lasa mirona any amin'ny koba, rehefa mikarakara lanonam-pianakaviana, indrindra ireo misora-panambadiana izay misafidy ny lohahevitra gasigasy. Atao solona mofomamy ny koba amin'izay fotoana izay. Misy no mankafy azy tsotra sy toy ny mahazatra iny, fa misy kosa ireo misafidy ny hanisy hanitra, toy ny lavanila, na voanio, mba hiavahana amin'ny andavandro. 5 andro fara-fahakeliny, mialohan'ny ilàna ny koba, no tsy maintsy atao ny kaomandy, hoy ny avy ao amin'ny Koba Lafatra, satria 3 andro vao masaka ny koba. Azo tehirizina tsara kosa izy, satria afaka mijanona 5 andro ivelan'ny vata fampangatsiahana, raha mafana ny andro ary mety haharitra hatramin'ny 10 andro aza, raha amin'ny vanim-potoana mangatsiaka. Ilay kobam-bary somary miloko fotsy moa no mora simba fa ilay miloko volon-tsôkôla mbola azo tahirizina maharitra kokoa noho izany, hoy ny fanazavana.

Lire la suite

Articles Similaires