• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pourquoi Docteur
Image
Vaovao

Homamiadana mpahazo ny vehivavy : Misy fitiliana maimaim-poana mandritra ny volana oktobra

03/10/2023 18:04 © Moov.Mg

Ambony dia ambony ny tahan’ny fiaboana (taux de positivité) amin’ny fitiliana homamiadan’ny nono eto Madagasikara. Tsy vitan’izany, fa azo lazaina ho tanora kokoa, raha oharina amin’ny eran-tany, ny vehivavy tratran’ny homamiadan’ny nono eto amintsika.

Antony mahazava-dehibe ny hetsika « Octobre Rose », izay anokanana ny volana ôktôbra ho fanentanana amin’ny ady atao amin’ny homamiadan’ny nono izany. Fa miaraka amin’izay ihany koa ny ady amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza.

Taham-pahafatesana 60%

Raha ny antontan'isa avy amin'ny hopitaly CHUJRA dia ny antsasaky ny vehivavy mararin’ny homamiadana no tratran’ny homamiadan'ny nono, na ny homamiadan’ny vozon-tranon-jaza, eto amintsika. Manodidina ny 60% ny tahan'ny fahafatesana, ho an'ireo marary latsaky ny 45 taona. Ny fahataran’ny fitiliana no mahatonga ny fahafatesan’ireo olona tratran’ireo homamiadana ireo, amin’ny ankapobeny, izay marihina fa mety hahazo ny lehilahy ihany koa, raha ny homamiadan’ny nono. Araka izany dia ny fanentanana ny olona mba ho tonga hizaha fahasalamana sy hijery akaiky ny fahasalamany, no tena anentanana mandritra izao volana oktobra izao. Isan’ny mandray anjara amin’izany ny Fondation Akbaraly, izay tohanan’ny fikambanana maro isan-tsokajiny ary ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA).

Hatramin’ny faran’ny volana ôktôbra

Ho an’ny androany 3 oktobra dia isan’ny nisitraka ny fitiliana maimaim-poana ny homamiadan’ny vozon-tranon-jaza, teny amin’ny Centre Médical Kintana Ambatomena, izay miara-miasa amin’ny Fondation Akbaraly, ny fikambanan’ny mpanao gazety vehivavy eto Madagasikara (FJM). Tsy hijanona eto Antananarivo izao hetsika fitiliana maimaim-poana izao fa hiitatra any amin’ireo faritra hafa iasan’ny Fondation Akbaraly, dia ny any Fianarantsoa sy Mahajanga izany. Hitohy hatrany amin’ny faran’ny volana ôktôbra izany fizaham-pahasalamana izany. Fitiliana ihany moa no tanterahina, fa ny fitsaboana tohiny rehetra dia hotohizan’ireo izay ahitana ny soritr’aretina eny amin’ireo tobim-pitsaboana misahana ny homamiadana.

Lire la suite

Articles Similaires