• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antananarivo_Cirgn
Image
Vaovao

Cash point Ambatomaro : Voasambotra ireo ahiana ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana

03/10/2023 16:46 © Moov.Mg

Nisehoana fanafihana cash point izay tonga hatramin’ny fahafatesan’olona iray teny Ambatomaro ny volana septambra teo. Efa voasambotra ary efa eny am-ponja ireo nahavanon-doza.

Tranga nahafatesan’olona

Nitrangana fanafihana nahafatesan’olona teny Ambatomaro ny 09 septambra lasa teo. Tamin’ny 07 ora hariva no nisehoan’ity fanafihana mitam-piadiana ity. Nitondra basy sy antsy ireo mpanafika, vokany olona iray no namoy ny ainy, izay tsy iza fa ilay mpitazona ny cash point voatafika.
Raha ny marimarina kokoa dia teo akaiky ny EPP Ambatomaro no niseho ny fanafihana. Mpitazona cash point efa niomana ny handray fodiana no notafihan’ny jiolahy tsy alavitra ny tranony. Lasan’ireo olon-dratsy nandritra izany ny vola mitentina 10 tapitrisa ariary sy ny finday miisa 8.

Natolotra ny fitsarana

Nandeha ny fikarohana taorian’ny tranga, ary fantatra miandalana ireo ahiana ho tompon’antoka tamin’ity tranga ity. Efa nosamborina tsirairay avy ny olona valo ary tratra tao amin’ny nisy azy ny basy revolver iray, ny fanamiana miaramila maromaro fampiasa rehefa misoloky, ny moto scooter tsy misy taratasy, ny antsy lavalela ary ny ody ratsy.
Tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity kosa no natolotra ny fitsarana izy 8 mianadahy voasambotra. Ny lehilahy 4 tamin’izy ireo no nalefa any Tsiafahy, ny vehivavy 2 ao Antanimora, ary ny roa ambiny nahazo fahafahana vonjimaika.
Mateti-pitranga tokoa tato ato ny trangana fanafihana cash point toa izao, ary matetika dia miteraka faty olona foana izany. Vehivavy iray nitazona cash point ihany koa no namoy ny ainy androany maraina, teny Anosizato teny rehefa notafihan’ny jiolahy nirongo basy tamin’ny 07 ora maraina teo. Roa ireo jiolahy nahavanon-doza, ary vola 20 tapitrisa ariary no lasan’izy ireo tamin’izany. Mitohy ny fikarohana ireo jiolahy.
Mila mailo sy mitandrina araka izay azo atao ireo olona miasa amin’ireny cash point ireny, satria efa mirongo fitaovam-piadiana ireo jiolahy ary tsy miahotra ny hamono.

Lire la suite

Articles Similaires