• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Tontolo ambanivohitra : Manofana ny tanora ny MFR Madagasikara

03/10/2023 16:36 © Moov.Mg

Zava-dehibe ho an’ireo tanora, indrindra ireo mipetraka eny anivon’ny tontolo ambanivohitra ny fisitrahana fiofanana. Mifaindraika indrindra amin’ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra sy ny fampanan’asa ny tanora ny Maison Familiale Rurale na ny MFR. Mitohy ny fanatratrarana izany tanjona izany ho an’ity fikambanana ity.

Ny MFR sy ny tanjony

Araka ny efa natsidika tetsy ambony dia mandray anjara mavitrika amin’ny fanamifasana ny fahaiza-manaon’ireo tanora amin’ny alàlan’ny fampiofanana ny MFR. Raha ny marimarina kokoa dia hetsiky ny fianakaviana tambanivohitra izy io izay ivondronan’ny mpikambana vonona hikarakara ny fanabeazana sy ny fanofanana ny zanany. Fomba enti-miady hitan’ireo ray aman-dreny hahafahana manampy ireo zanany hahomby eo anivon’ny fiarahamonina sy eo amin’ny lafiny ara-tsosialy ny MFR araka izany.
Ny taona 2001 no efa niorina ity vondrona ity, ary tao Mantasoa no nipoirany. Nihitatra tsikelikely tamin’ny distrika sy faritra maro izy, ary ankehitriny dia efa hita amin’ny toerana miisa 33. Tanora eo anelanelan’ny 13 taona ka hatramin’ny 20 taona amin’ny ankapobeny no hofaniny, ary mitodika manokana amin’ny fambolena sy ny fiofanana arak’asa ny anjara andraikitra sahanin’ny MFR Madagasikara.

Fiofanana sy fanofanana arak’asa

Fiofanana sy fanofanana arak’asa isan-karazany no atolotry ny MFR. Mizara karazany roa mazava tsara izany. Ny voalohany dia ny fiofanana natokana ho an’ny tanora latsaky ny 18 taona. Ao anatin’izany karazany voalohany izany ny fanofanana fianarana asa ho an’ny tantsaha matihanina. Roa taona ny fiofanana ary tolorana taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny fianarana izy ireo aorian’izay. Natao indrindra ho an’ireo tanora nahavita kilasy faha-7 izy io. Ao anatin’io karazany voalohany io ihany koa no ahitana ny fiofanana fiarana asa natokana ho an’ireo mpamboly matihanina nahavita kilasy faha-5. Roa taona ihany koa ny faharetan’ny fiofanana ary mahazo mari-pahazaiana momba ny fahaiza-manao matihanina ireo mpiofana.
Ny karazany faharoa dia mitodika amin’ny fambolena any ambanivohitra sy ireo fanofanana ankoatra ny fambolena, izay ahitana ny fanjairana, ny tao-trano, ny fanenona, ny rafitra sns. Maharitra 5 andro ny fiofanana ary zaraina taratasy fanamarinana ny fahavitan’ny fiofanana ireo izay manaraka izany. Ny tanora sy ny olon-dehibe tsy manana mari-pahaizana no iantefan’izany. Ao ihany koa ny fiofanana fohy mifandimby amin’ny asa fambolena sy tsy fambolena any ambanivohitra. Ny tanora lehibe mihoatra ny 19 taona ka nahavita kilasy faha-7 no iantefany, ary maharitra 600 ora ny fiofanana. Omena mari-pankasitrahana ihany koa ireo nahavita fiofanana.

Mivoatra ireo fiofanana omena ny mpisitraka

Manaraka ny fivoarana sy ny filan’ny mponina ambanivohitra hatrany ny tolotra ara-piofanana izao atolotry ny eo anivon’ny MFR. Tamin’ity taona 2023 ity ary dia nampifandraisana tamin’ny fiovan’ny toetrandro ny fiofanana ka nahafahan’ireo mpiofana namantatra ny atao hoe agroécologie sy ny angovo hafa afaka trandrahana.
Ankoatra ireo resaka fambolena sy ny tontolo ambanivohitra dia niroso tamin’ny fampahafantarana ny atao hoe éco-citoyenneté ny MFR. Tao ihany koa ny fanabeazana tanora sy ny fananahana, fandraharahana ary ny fanabeazana momba ny tontolo iainana.
Anisan’ny tetikasa mahomby hiadiana amin’ny fahantrana sy ny tsy fananan’asa ary hanatsarana ny tontolo ambanivohitra tokoa ny fanomezana fiofanana toa izao ataon’ny MFR izao. Inoana ny hitohizan’izany.

Lire la suite

Articles Similaires