• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Picasa
Image
Vaovao

Andro eran-tany ho an’ny varika : maro ireo mitady ho ringana, ao anaty lisitra mena

03/10/2023 16:08 © Moov.Mg

Marihina amin’ny faha-27-n’ity volana ôktôbra ity ny andro maneran-tany ho an’ny varika. Fotoana iray entina mampahatsiahy io andro io, fa biby tandindomin-doza izy itony, nefa tsy fahita raha tsy eo Madagasikara.

Eto amintsika ihany

Miisa 112 ny isan’ny karazana varika misy eto Madagasikara ary tsy misy afa-tsy eto amintsika ity karazam-biby mampinono ity. Antony heverina fa mahatonga izany ny tsy fisian’ny biby mpihaza, toy ny liona eto amintsika, sy noho ny tsy fisian’ny karazan-gidro hafa toy ny rajako, izay mety hifaninana amin'ny sakafony. Ny maki, ny sifaka sy ny babakoto no karazana varika tena be mpahalala. Ilay karazany antsoina hoe : « microcebus jonahi » kosa no karazany hita farany, tamin'ny taona 2020. Ny 90% maherin’ny karazana varika anefa no ahiana ho ringana tanteraka, ka tafiditra ao anatin’ny lisitra menan’ny Vondrona Iraisam-pirenena ho an'ny fiarovana ny natiora (UICN). Ny tatitra “Primates in peril 2022 – 2023” ihany koa no nilaza fa ao anatin’ny karazam-biby mampinono tandindomin-doza indrindra ny « Lepilemur septentrionalis », ny « Eulemur flavifrons », ny « Propithecus coquereli » ary ny « Microcebus berthae », izay fantatra ihany koa amin’ny anarana hoe : gidrokelin’i Madame Berthe.

Gidrokelin'i Madame Berthe

Momba ity farany manokana, dia nanaitra ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ireo siantifikan'ny ivon-toerana alemana misahana ny varika (DPZ ), tamin’ny volana septambra tamin’ny taon-dasa, ka nilaza tao anatin'ny gazety boky "Conservation Science and Practice", fa nanjavona tao anatin'ny faritra arahin'izy ireo maso ny gidrokelin'i Madame Berthe. Ao amin’ny alan’i Kirindy, izay faritra arovana ao Menabe Antimena, no nisy io toeram-ponenan’ny gidrokelin’i Madame Berthe io. Heverin'ireo siantifika fa ny fitrandrahan'ny mponina ny ala no mety nampanjavona an'ity karazana varika ity. Raha tsiahivina dia tamin'ny taona 2015 no napetraka ho faritra arovana i Menabe Antimena, izay mirefy 210.000 ha. Nanomboka teo anefa ka hatramin'izao, dia tombanana ho efa simba ny 30%-n'ny ala ao anatiny. Mbola tsy voaporofo kosa hatreto, raha tena ringana tokoa ity karazana varika kely ity, na tsia.

Raha sanatria moa ka nanjavona tanteraka tokoa ny gidrokelin'i Madame Berthe, dia izy ity izany no varika voalohany lany tamingana ato anatin'izao taonjato faha-21 izao, hoy ireo siantifika. Ny Pr Jonah RATSIMBAZAFY, izay manam-pahaizana manokana momba ny gidro (primatologue), dia efa nanamafy fa ny fahasimban’ny toeram-ponenany no fototra mahatonga ny loza manambana ny varika. Eo ihany koa ny fihazana azy.

Lire la suite

Articles Similaires