• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama_Ofisialy
Image
Vaovao

Tapaka hatramin’ny 05 ora hariva ny rano androany

03/10/2023 15:14 © Moov.Mg

Tapaka mandritra ny fotoana maro ny famatsiana rano ho an’ny faritra maro eto andrenivohitra. Nitondra fanazavana mahakasika ny zava-misy ny Jirama.

Asa fikojakojana

Niroso tamin’ny asa fikojakojana ireo fitaovana ny teknisianina eo anivon’ny Jirama nanomboka androany maraina. Raha ny marimarina kokoa dia mbola am-perin’asa tanteraka izy ireo amin’izao fotoana amin’ny fanaovana ny asa fikojakojana ilay Pulsator 2 hita ao Mandroseza 1. Manala ireo fotaka voatazona ao amin’ny « décanteur » izy ireo mandritra izany.
Anisan’ny mampitaraina ny Jirama tokoa ny fahanteran’ireo foto-drafitr’asa sy fitaovana izay ampiasan’izy ireo, izay tsiahivina fa miteraka ireo fahatapahana matetika na izany amin’ny lafin’ny famatsiana rano na amin’ny famatsiana herinaratra. Asa tsy maintsy hirosoana tokoa araka izany ny asa fikojakojana ny fitaovana toa izao, izay hany fomba hahafahana mitazona ny faharetan’ny foto-drafitr’asa.

Ireo toerana tapaka rano

Fokontany maro eto Antananarivo no tapaka rano ankehitriny noho io asa fikojakojana izay tanterahan’ny Jirama io. Ireto avy izy ireo :
Mandrosoa, Ambohijatovo, Faravohitra, Ambatonakanga, Ambohitsirohotra, Antaninarenina, Ambatovinaky, Ambohidahy, Amparibe, Tsimialonjafy, Manjakaray, Amboditsiry, Tsiadana, Andohamandry, Fort-voyron, Mahamasina, Befelatanana, Campus Ambolokandrina, Ankatso, Cité Ambohipo, Ampandrana, Ankadivato, Ambanidia, Anjohy, Andohalo, Ambohimitsimbina, Andafiavaratra, Ambonin’ampamarinana, Mahabo, Ambohijanaka, Imerimanjaka, Ankaraobato, Ankadilalampotsy, Tongarivo, Ankadiefajoro, Morarano, Mahalavolona, Fort-Duchesne, Ampandrianomby, Ampanotokana, Andraisoro, Antsahameva.
Hiverina amin’ny laoniny kosa ny famatsiana rehefa vita tanteraka ny asa fikojakojana.

Lire la suite

Articles Similaires