• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ha
Image
Vaovao

FFKM : Mbola hanohy ny fifanatonana amin’ireo kandida 13

03/10/2023 11:10 © Moov.Mg

Nanao fanambarana indray androany ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM), manoloana ny savorovoro politika misy eto Madagasikara amin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana filoham-pirenena izao, sy taorian’ny hetsika notanterahin’ny vondron’ireo kandida, omaly.

Dinika itadiavam-bahaolana

Ny antso ho amin’ny fitonian’ny vahoaka sy ireo mpisehatra ara-pôlitika hatrany, no tena vontoatin’ny fanambarana nataon’ireo filoham-piangonana kristianina efatra mirahalahy. Tsy misy mantsy ny fandrosoana, raha tsy misy ny filaminana, hoy ny fanambarana. Fanontaniana no napetrak’ireo mpitarika ny FFKM mba hanairana ny sain’ny rehetra : « Taranaka inona no avela ho an’ny ho avy ? ». Noho izany indrindra dia nanamafy ny amin’ny tokony hanohizana ny fifampiresahana ny FFKM, mba hametrahana amin’ny laoniny ny filamianana sy itadiavana vahaolana amin’izao zava-misy manambana korontana eto amin’ny nosy izao. Nilaza moa izy ireo fa hanohy ny fifanatonana amin’ireo kandida 13, mba ho fitadiavam-bahaolana

Fanehoan-kevitra malalaka

Mifanindran-dalana amin’izay dia manainga hatrany ny rehetra mba hampitsahatra ny fifampiantsiana sy ny fandranitana, izay miteraka fifandonana, ny filoham-piangonana kristianina efatra. Mety ho tonga hatrany amin’ny famoizan’aina sy faharavana fananana mantsy izany. Mbola niantso ny amin’ny tokony hanomezana fahalalahana ny fanehoan-kevitra ihany koa ny FFKM, tao anatin’ity fanambarana ity. Teo am-pamaranana ny fanambarana, dia nirary fahasitranana ho an’ireo naratra, vokatry ny fifandonana omaly, ireto filoham-piangonana ireto no sady nanentana hatrany ny vahoaka malagasy, mba hitolona am-bavaka ho an’ny firenena sy hijoro hatrany ho an’ny fahamarinana.

Lire la suite

Articles Similaires