• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pyb
Image
Vaovao

Andro eran-tany ho an’ny toeram-ponenana : tosika ho an’ny toe-karena matanjaka ny tanàn-dehibe

02/10/2023 16:48 © Moov.Mg

Marihina isaky ny alatsinainy voalohany amin’ny volana oktobra ny andro maneran-tany ho an’ny toeram-ponenana. Androany, araka izany, no nanatanterahana ny fankalazana, ka tany Toamasina no toerana nosafidiana hanaovana izany, ho an’i Madagasikara.

Vinam-panavaozana

Lohahevitra maneran-tany entina manamarika ny andro maneran-tany ho an’ny toeram-ponenana ho an’ity taona ity ny hoe : « Fiharian-karena an-drenivohitra matanjaka, ny tanàn-dehibe no hery manosika ny fiarenan-doha sy ny fitomboana ». Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanarenana ny toe-karena mantsy ny tanàn-dehibe, hoy ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH), Gérard Andriamanohisoa. Maro, hoy izy, ny ezaka atao eto Madagasikara mba hampandrosoana ny tanan-dehibe, ny trano fonenana sy ny toeram-ponenana. Isan’ny vinam-panavaozana tanterahin’ny Fanjakana ny fanorenana trano fonenana sahaza ho an’ny tokantrano tsirairay, ny fanatsarana ny toeram-ponenana sy ny fokontany efa misy, ny fanokanana sy fanajariana tahirin-tany hitsinjovana ny fitomboan’ny mponina, ny fanajariana tanàna vaovao ary ny fanajariana ivon-toeram-pampandrosoana hitondrana fanavaozana sy hanisika ny toekarena eny ifotony.

Tsy ampy ny trano fonenana

Ho an’ny fanamarihana eto Madagasikara manokana, dia nosafidiana ny lohahevitra hoe : « Fanavaozana ny tanàn-dehibe malagasy, tosika ho an’ny toe-karena matanjaka afaka miatrika ny hambana ». Nosafidiana manokana ny tanànan’i Toamasina hanatanterahana ny fankalazana ofisialy, noho ny fanajariana ny moron-dranomasin’i Toamasina ao anatin’ny tetikasa « MIAMI », izay efa eo an-dalam-pahavitana amin’izao fotoana izao, hoy hatrany i Gérard Andriamanohisoa. Araka ny antontan’isa navoakan’ny SENVH moa dia manodidina ny 2 tapitrisa ny tsy fahampiana trano fonenana eto Madagasikara ka 800.000 amin’izany dia eo anivon’ny tanan-dehibe. Tamin’ny volana mey lasa teo, nandritra ny adi-hevitra niarahana tamin’ireo mpisehatra miankina na tsia amin’ny Fanjakana, ho fanetsehana ny tontolon’ny trano fonenana, dia nisy ny fanamby napetraka, hanorenana trano fonenana 40.000 isa ao anatin’ny 5 taona.

Lire la suite

Articles Similaires