• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cirgn_Antananarivo
Image
Vaovao

Ady amin’ny asan-dahalo : Voatifitry ny zandary i Dédé

02/10/2023 16:38 © Moov.Mg

Anjara andraikitra anisan’ny sahanin’ny eo anivon’ny zandarimaria tokoa ny fanenjehana sy ny fisamborana ireo jiolahy sy dahalo, ho fitandroana ny fandriam-pahalemana hatrany. Jiolahy iray fantatra tamin’ny solon’anarana Dédé no lavon’izy ireo androany tao Antorendrika Kaominina Ambatomanga nandritra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta.

Fantatra mialoha ny fanafihana

Tsy mbola nanomboka akory ny fandrobana nataon’ireo andian-jiolahy izay nahitana an’i Dédé dia efa nahare vaovao mahakasika ny fanafihana ny zandary. Nandrasana fotsiny, araka izany, ireo jiolahy ny alin’ny 01 oktobra hifoha 02 oktobra, ka ny ekipan’ny PA Ambatomanga no niandraikitra izany.
Nipoitra teo amin’ny kizon’i Antorendrika, kaominina Ambatomanga i Dédé sy ireo namany. Efa niandry azy ireo teo ny zandary, ka vao nahita ireto mpitandro ny filaminana ireo dahalo dia avy hatrany dia nitifitra. Tsy nanaiky lembenana anefa ny zandary fa namaly ihany koa. Raikitra ary ny fifampitofirana.

Maty i Dédé, tafaporitsaka ny namany roa

Namoy ny ainy nandritra ny fifampitofirana i Dédé. Namany roa hafa kosa no tafaporitsaka. Basy poleta vita gasy iray sy bala 9 mm no hita teny aminy.
Raha tsiahivina dia Nambinintsoa Jean de Dieu no tena anarany. Anisan’ireo dahalo fantatra fa nampihorohoro ny distrakan’i Arivonimamo, Miarinarivo sy Ankazobe ny tenany. Nandray anjara tamin’ny fanafihana miharo halatr’omby 15 ny tenany, izay nahafatesana olona tsotra iray tao Miadamanjaka. Efa nitarika ny halatr’omby miisa 8 tao Morafeno Amberobe ihany koa i Dédé ny volana febroary lasa teo. Namoahan’ny fitsarana didy fikarohana sy filazana fikarohana maromaro ihany koa moa izy ity.
Eny amin’ny tranom-patin’ny tobim-pahasalamana Ambatomanga no misy ny razana ankehitriny, ho an’ireo havany haka azy. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo namany izay tafaporitsaka nandritra ny fifandonana androany iny, araka ny fampitam-baovaon’ny CIRGN Antananarivo.

Lire la suite

Articles Similaires