• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

EKAR Anatihazo Isotry : Fizaham-pahasalamana maimaim-poana ho an’ny sahirana

02/10/2023 16:32 © Moov.Mg

Tsy dia mahavantana ireo fianakaviana sahirana loatra matetika ny manatona toeram-pitsaboana raha misy manjo azy ireo. Ny tsy fananana fahafahana manefa ny saran’ny fizaham-pahasalamana sy ny vidin’ny fanafody no anton’izany amin’ny ankapobeny.

Hetsika haharitra telo andro

Manoloana ny fahasahiranan’ireo mpiara-belona dia nisafidy ny hikarakara fizaham-pahasalamana mamaim-poana eny anivon’ny EKAR Anatihazo Isotry ny Bataillon Médical Ampahibe manomboka androany 02 Oktobra 2023. Haharitra telo andro ny hetsika ka tsy hifarana noho izany raha tsy ny alarobia 04 Oktobra ho avy izao.
Araka izany, dia misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Bataillon Médical Ampahibe, ny EKAR Anatihazo Isotry ary ireo mpiara-miombon’antoka isan-karazany, mandritra izany telo andro izany. Fizaham-pahasalamana maro isan-karazany no hita eny an-toerana. Tafiditra ao anatin’izany ny cardiologie, ny pneumologie, ny gastro-enterologie, ny neurologie, ny endocrinologie-diabètologie, ny pédiatrie, ny chirurgie générale, ny ORL, ny médecine générale ary ny dentisterie (misy ny fizarana borosy nify sy « dentifrice » mamaim-poana ho an’ireo mijery ativava) ary ny ireo karazana « examens complémentaires » toy ny Echocardiographie-doppler, Exploration fonctionnelle respiratoire ary ny test glycémie.

Natao ho an’ireo tokatrano sahirana

Mitodika manokana amin’ireo fianakaviana sahirana ity tolotra ara-pahasalamana ity. Ireo olona tra-pahasahiranana na koa ireo atao hoe marefo ara-pivelomana, izay monina eny amin’ny faritra ambany tanàna no mpisitraka izany hetsika izany. Tamin’ity andro voalohany ity kosa dia natomboka tamin’ny fijerena ireo mpianatry ny EKAR Anatihazo Isotry, izay mandray ny hetsika ny fizahana.
Fantatra tokoa mantsy fa mitentina any amin’ny 200 000 ariary any raha ny saran’ny fitiliana mikasika ny cardiologie miaraka amin’ny échocardiaque fotsiny no resahana ohatra. Teti-bola izay tsy tafiditra ao anatin’ny fahefa-mividin’ireo fianakaviana sahirana mihitsy. Mandritra io telo andro io anefa dia maimaim-poana ny fisitrahana izany eny amin’ny EKAR Anatihazo Isotry. Raha fintinina dia miompana amin’ny fijerena akaiky ireo olona sahirana ny hetsika, mba hahafahan’izy ireo misitraka fitiliana toa ny olona rehetra.
Antenaina hatrany ny hitohizan’ny hetsika manakaiky vahoaka toa izao, mba hahafahan’ireo marefo misitraka fizaham-pahasalamana ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires