• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sodirex
Image
Vaovao

Ankadinondry Sakay : Tafapetraka ny ivon-toerana « Guichet agricole »

02/10/2023 16:28 © Moov.Mg

Anisan’ireo kaominina tena mpamokatra raha i Ankadinondry Sakay. Anisan’ireo nisitraka ny tetikasa taninketsa indostrialy ihany koa ity kaominina ity, ary hanomboka hamokatra ketchup amin’ny alàlan’ireo vokatra voatabia ao an-toerana.

Ankehitriny dia napetraka ao an-toerana ihany koa ny ivon-toerana « guichet agricole » izay hanampy ireo mpamboly sy mpiompy amin’ny fampiroboroboana ny asany. Ny volana Jona lasa teo tokoa no nisy ny fanambarana mahakasika ny fametrahana ity ivon-toerana ity izay hanolorana tolo-draharaha ho an’ny mpamokatra rehetra.

Ivon-toerana misahana ny toro-hay

Tolo-draharaha maro samihafa no hita eo anivon’ity ivon-toerana « guichet agricole » izay napetraka ao amin’ny kaominina Ankadinondry Sakay ity. Hita ao ohatra ny filan-kevitra momba ny fananan-tany sy ny filan-kevitra momba ireo sampandraharaham-panjakana. Toerana iray misahana ny toro-hay izy ity, araka izany, ary tena ilain’ireo mpamboly sy mpiompy amin’ny fanatanterahana ny asany.
Afaka manoro hevitra mahakasika ny fakana ny « certificat sanitaire et phytosanitaire » ohatra ity ivon-toerana ity. Ao ihany koa ny fampahafantarana ireo dingana tokony arahana raha toa ka maniry ny hanondrana entana any ivelany na hanafatra entana avy any ivelany ny tantsaha iray. Anisan’ny mandrafitra ity guichet agricole ity ihany koa ireo sampandraharaham-panjakana manohana ny mpamokatra toa ny FDA sy ny FDE ary ireo rafitra ara-bola isan-karazany. Hampahafantatra bebe kokoa ny tolotra ananan’izy ireo mba hahafahana manampy ireo tantsaha amin’ny lafiny famatsiam-bola ireo rafitra ireo. Raha fintinina dia hita ao avokoa ny mahakasika ny toro-hay ara-teknika, fa ihany koa ireo tolotra samihafa entina manabe voa ny seha-pihariana miompana amin’ny fambolena sy ny fiompiana.

Ho fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana

Tanjona amin’ny fametrahana ity ivon-toerana « guichet agricole » ity ny hanampiana ireo tantsaha amin’ny lafiny ara-kevitra, ara-pamatsiam-bola sy amin’ny lafin’ny làlana tokony diavin’izy ireo mba hampitomboana ny vokatra. Fomba iray hahafahana mampivelatra ny fahafahan’ny tantsaha manatsara sy mampitombo ny vokatra izay vokariny tokoa ireo toro-hay rehetra omen’ity ivon-toerana ity.
Raha ho an’ny kaominina Ankadinondry Sakay hatrany dia efa tafapetraka ny toerana fanodinana vokatra. Hanampy ireo tantsaha hanatsara ny fidiram-bolany ny fisian’izany. Ankoatra izay dia tsara ny mampahatsiahy fa ny fanatsarana ny vokatra sy ny fampitomboana izany dia hanampy betsaka amin’ny fanamafisana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Miantso ireo mpamokatra mba tsy hatahotra hiditra amin’ny ivotoerana toa itony noho izany ny eo anivon’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana. Tanjona ny hametrahana ivotoerana toa izao manerana ny distrika rehetra, hoy hatrany ireo tompon’andraikitra manazava.

Lire la suite

Articles Similaires